Manondrana indray ny Jirama
Mankaleo be ary efa tena tsy laitran’ny balan’ny fitarainana intsony ny afitsoky ny orinasa Jirama sy ny tsy fahaizany amin’ny fitantanana ny famokarana sy fitsinjarana ny jiro sy ny rano. Tsy te hahalala mihitsy izay olan’ny mpanjifa ity orinasam-panjakana efa mikoroso fahana andro aman’alina ity fa dia ny sitrapony sy izay tiany atao no atao. Tena tsy vitan’ny Jirama intsony mihitsy ny misahana ny famatsiana jiro sy rano ho an’ny vahoaka malagasy. Miseho ho sarotiny sy saro-piaro amin’ny fitantanana ny orinasa ireo mpiasa ao nefa ny vokatra omen’izy ireo raha asiana naoty dia hita fa tena tsy izy sy tsy azo ekena intsony. Ny faktiora tsy tara mihitsy ary tsy mitsaha-misondro-bidy nefa ny jiro tapaka foana, tsy isanan’andro intsony fa tena ho isan’ora. Ny karazan-ketra izay alaina amin’ny vidin-jiro sy rano efa lafo dia lafo amin’izany tsy fantatra intsony ary tena mavesatra nefa tsy hita akory izay fiantraikany amin’ny fiainam-bahoaka. Manilika andraikitra amin’ny fanazavana ara-tekinika efa lasa litania sy tsianjery fantatry ny rehetra ny tompon’andraikitry ny Jirama rehefa hanadio tena amin’ny tsy fahombiazan’ny famatsiana jiro sy rano. Rehefa maintany dia lazaina fa ny tsy fahampian’ny tosi-drano manodina ny milina mpamokatra ny herin’aratra no mahatonga ny fahatapahan-jiro. Rehefa fotoanan’ny orana ihany koa na lazaina fa tototry ny fasika sy ny fako ny milina mpanodina jiro avy amin’ny tohadrano, na ihany koa lazaina fa nosimban’ny varatra ny gropy dia tsy afaka nampiasaina ka izay no manapaka ny jiro. Amin’ny fotoana hafa moa dia lazaina fa simba fotsiny izao ny milina fa efa antitra na ihany koa tsy ampy sy tara ny solika ampihodinana ireny gropy ireny. Nisy fotoana ihany koa ny mpiasa tao nilaza fa ny fahamaroan’ny olona mangalatra sy misintona jiro tsy ara-dalàna nefa tsy mandoa faktiora akory no tena mahatonga ny tsy fahampian’ny famokarana herinaratra ka miteraka ny delestazy. Raha io tsy fandoavana faltiora io no resahana dia anisan’ny tena tompon’antoka amin’izany ny mpiasan’ny Jirama izay an’arivony. Araka ny fantatra mantsy dia tsy mandoa vidin-jiro sy rano izy ireny na mandoa ihany fa kely tsy arakaraka ny fatra laniny. Misy amin’ireo mpiasan’ny Jirama anefa no mibizina jiro sy rano ka any am-paosiny no miditra ny vola. Manao izay hanoratana ny kaontera amin’ny anarany ny mpiasan’ny Jirama sasany ka noho io antony io dia tsy mandoa na kely ny faktiora aloany. Tsy izy sy ny ankohonany irery anefa no mampiasa ilay kaontera fa fianakaviana mipetraka amin’ny trano iray. Izany hoe ny Jirama na ny marina kokoa dia ny mpanifa hafa no mivesatra ny lanin’ireny trano tsy mandoa jiro ireny satria mpiasan’ny Jirama no misoratra amin’ilay kaontera. Ny tena loza dia ity, takian’ilay mpiasan’ny Jirama vola ireo mpiara-monina aminy saingy tsy ampidirina any amin’ny kitapom-bolan’ny orinasa ireo vola ireo fa any am-paosiny. Tsy mahagaga raha mitsipozipozy ity orinasam-panjakana ity satria betsaka loatra ny fanararaotana sy ny fitiavan-tena ataon’izy ireo. Maro ihany koa ny asa kitoatoa izay mampitaraina ny mpanjifa. Porofo mitohoka amin’ny tendany ary tranga tsy mbola nisy maneran-tany ilay firehetana saika nitranga tao amin’ny tranon’ny filoham-pirenena noho ny fitavozavozan’ny mpiasan’ny Jirama. Na inona na inona fanazavan’izy ireo dia tsy fahaizana sy kitoatoa no nahatonga ilay loza nitranga. Vao avy nanamboatra tao mantsy ireo teknisianina no nisy ny fipoahana. Izy ireo indray avy eo no nifampiaro nefa raha ny tokony ho izy, nomena sazy faran’izay henjana ireo teknisianina nanao kitoatoa ireo. Any an-tranon’ny filoham-pirenena aza izy ireo manao hadisoana koa mainka fa any amin’ny mpanjifa madinika izay tsy afaka ny hanao na inona na inona fa vavabe no azo rehefa mba manao fitarainana. Mila jeren’ny fanjakana akaiky ny fomba fiasan’ny Jirama fa tsy hivaha mihitsy io olan’ny delestazy ireo raha izao no mitohy. Na hividy gropy an’arivony sy hanome solika tsy lany laniana aza ny fanjakana dia ho tapaka matetika foana ny jiro sy rano raha tsy ny toe-tsaina sy ny fomba fiasan’ny mpiasan’ny Jirama mihitsy no asiana fanavaozana.
Ravalo tsy Manana