Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Manakoliva – Raikitrika ny fifampitifirana, dahalo efatra maty

Mahery vaika indray tato ho ato ny asan-dahalo any amin’iny faritra Androy iny. Raha nangingina kely nandritra ny andro vitsy izany dia manao ny ataony indray izao ireo olon-dratsy ary tsy mifidy harapaka toy ny voay mihitsy. Araka ny vaovao azo tamin’ny olona any an-toerana, na manana omby na tsy manana dia voatafika avokoa ary rehefa tsy manam-bola dia voaolana izay vehivavy ao an-trano. Noho izany, maro ireo olona mitsoa-ponenana noho ny fahatahorana ireo dahalo ireo. Tsy voatery mahavoa foana anefa ry zalahy fa misy fotoana mandamoaka ny teti-dratsin’izy ireo. Ny alahady lasa teo, tsy nahomby ny fanafihan’ireo dahalo ary niafara tamin’ny fifampitifirana izany. Dahalo efatra no maty ny alahady lasa teo tao amin’ny toerana iray antsoina hoe Manakoliva ao amin’ny faritra Androy, ao amin’ny distrikan’i Bekily. Araka ny vaovao azo dia efa nihaodihaody tao an-tànana ireto dahalo ireto ary nampiahiahy ny fihetsik’izy efatra mirahalahy. Toa mitsikilo raha ny filazan’ireo mponina. Mahana noho izany ny fokonolona ary nampandre avy hatrany ny mpitandro  filaminana. Nandray andraikitra avy hatrany ka nanao ny fisavana sy ny famantarana azy ireo ny zandary izay mbola nahita azy ireo nihodinkodina teo amin’ny manodidina, toa miandry ny andro ho maizina fotsiny. Rehefa nahita izany ireto malaso dia namoaka basy handeha hitifitra an’ireo zandary ny roa ary ny ambiny kosa  nanantona namoaka famaky sy antsy handeha hikapa ireo mpitandro filaminana. Mailo avy hatrany koa anefa ny mpitan,dro filaminana ka  lavo avy hatrany ireo dahalo efa-dahy. Basy vita gasy sy bala miisa 6 sy kalibra 12 ary fanamiana miaramila efa tonta no tratra teo ampelatanan’ireo dahalo. Nahitana finday 2 sy kiririoka ihany koa teny amin-dry zalahy. Mitohy noho izany ny fikaroham-baovao ataon’ny mpitandro filaminana ao Manakoliva ny amin’ny fitadiavana izay mety ho naman’izy ireo, izay mbola mety mihaodihaody any an-toerana. Ny fokonolona kosa no nanatanteraka ny fandevenana ireo dahalo maty.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre