Vous êtes ici :

Lundi 25 Novembre 2024

ombre

Antananarivo renivohitra – Olona 70 no manadio nY tanàna

Miditra amin’ny fandiovana ny tanàna ny eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Nirotsaka amin’ny famafana lalana ny ekipa manokana mba hanatanteraka izany. Olona miisa 70 no karamaina izay ahitana mpamafa lalana, mpanadio tatatra, mpiasan’ny tsena ary polisy monisipaly. Haharitra 15 andro ity hetsika ity ka teny amin’ny boriboritany fahefatra, izany hoe, manodidina an’i Soanierana iny omaly. Tafiditra amin’izany ny fanalàna fako sy ny fotaka izay manentsina ny lakan-drano, fanamboarana ireo tatatra izay nahitana fahasimbana, famafana sy fanalàna ireo bozabozaka sy fakofako teny amin’ny sisin- dalana, fandaminana ny fifamoivoizana, fanentanana ireo mpivarotra sy ny mpandeha tongotra mba hanaja ny fahadiovana. Tanjona mandritra izao hetsika izao ny hoe : « Antananarivo madio », eo ihany koa ny fiomanana amin’ny fiavian’ny fotoam- pahavaratra.

 

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre