Andranovory – Niendrika miaramila ireo dahalo
Tsy nisy namantarana azy mihitsy fa nanao fanamiana mitovy amin’ny an’ny miaramila ireo dahalo. Ankoatra izany dia mbola nitondra fitaovam-piadiana fitondra miady izay ny mpitandro filaminana ihany no manana azy izy ireo. Raha atao jery maika dia toy ny miaramila na zandary mihitsy ireo mpanafika. Tsikaritry ny iray tanàna ihany anefa hoe sandoka izy ireo ary tena dahalo satria nisy endrika tsy vaovao tamin’ireo voatafika. Fantatry ny vahoaka fa olona eny amin’ny manodidina ihany ilay nisandoka ho mpitandro filaminana, izay nanao fanafihana mitam-basy. Miisa 9 lahy izy ireo ary basy kalaky iray sy basim-borona no nentiny. Izany hoe mazava ho azy fa halatra ilay kalaky satria ny miaramila irery ihany no afaka mampiasa azy ireny. Omby roa monja anefa no lasan’ireo mpanafika ireo tamin’ity asa ratsy iray ity. Efa nandre ny zava-misy ny zandary ary efa manampy ny fokonolona amin’ny fanarahan-dia ihany koa. Ankoatra nyasa ratsy ataony dia mbola sahy misandoka sy manala-baraka ny mpitandro filaminana ihany koa ireo dahalo. Efa misy ihany ny fepetra noraisin’ny fitondram-panjakana amin’ny hametrahana fandriam-pahalemana maharitra nefa toa mikisaka any amin’ny toerana sy faritra milamindamina ireo dahalo. Mbola lavitra ezaka ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana eto Madagasikara raha izao tranga izao no jerena.
Dom