Andohalo – Mpifankatia nahita taolam-paty 3 Gony
Anisan’ireo varo-maizina mirongatra eto amintsika amin’izao fotoana izao ny fivarotana sy fividianana taolam-paty. Betsaka ihany ireo tranga efa notaterina an-gazety eny na tamin’ny volana lasa teo fotsiny aza. Mampametra-panontaniana noho izany hoe iza no mila ireo taolam-paty angalarina etsy sy eroa ireo ary anaovana inona izy ireny? Hatreto dia mijanona ho mistery tanteraka ny antony ilana ireo taolambalo ireo. Hatramin’izay mantsy nahasarotiny ny malagasy izany resaka razana sy ny tontolony izany. Ankehitriny anefa, sahin’ireo olon-dratsy kosa ny manimbazimba azy ireny amin’ny famakiana fasana etsy sy eroa. Saika ny faritra rehetra manerana ny Nosy no ahenoana halatra taolam-paty. Efa tsy misy tahotra sy tsy misy henatra intsony fa tena very hasina tanteraka ny razana. Ny mahagaga anefa ireo taolan-dava, toy ny taolam-pe, taolan-dranjo ary ny sandry sy lanton-tanana ihany hatreto no tena lasibatra. Ny alahady lasa teo dia mpifankatia sendra nandehandeha teny Andohalo, kaominina Ankadikely Ilafy no nahita taolam-paty tanaty gony miisa 3. Araka ny vaovao azo dia tsara afina tanaty lobolobo ary mety nafenin’ireo mpamaky fasana tamina toerana iray ireo gony alohan’ny hangalan’izy ireo azy amin’ny fotoana hafa. Ireto mpifankatia ireto no nampandre avy hatrany ny sefo fokontany ary ity farany no nandeha nampandre ny zandary. Nidina teny an-toerana avy hatrany ilay sefo fokontany sy ireo mpitandro filaminana ao amin’ny borigady Ankadikely nijery ny zava-misy. Rehefa nosokafana ireo gony dia nahitana talon-dava miisa 34. Napetraka vonjimaika ao amin’ny fokontany Andohalo ary rehefa tsy nisy nanao fanambarana na filazana zavatra very na fasana vaky dia nalevina tao amin’ny fasam-bahiny ao Ilafy omaly ireo taolan-dava ireo.
Ra Tax.