Vous êtes ici :

Mardi 26 Novembre 2024

ombre

Tapi-dalan-kaleha Iarivo

Mbola ato anatin’ny andro mafana sy maina dia efa hita sahady fa mihasimba avokoa ny lalana eto an-drenivohitra. Mitombo isa ireo lavaka fikotrehan’akoho eny amin’ny arabe izay tena manelingelina ny fifamoivoizana. Miha lalina ihany koa ireo tsipika nolavahan’ny Jirama izay manapaka ny arabe noho ny fitarihan-drano. Raha fehezina dia miverina amin’ny fahasimbana sahady ny lalana rehetra eto an-drenivohitra. Hita mibaribary izany eny amin’ny boriboritany rehetra satria na dia nisy aza ny fanamboarana dia tsy naharitra ela ny zava-bita fa vao avy kely indray ny orana izay heverina fa manasara-taona dia potika avokoa ny lalam-bahoaka. Mampametra-panontaniana ny maro ihany koa ny fomba fiasan’ny sampan-draharaha mpikojakoja fotodrafitrasa eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra satria marobe ireo lavaka eny amin’ny arabe no nohalehibiazina satria hotapenana nefa tsy nisy nanamboatra akory avy eo. Tena efa manahirana indray ny mitondra fiara eto an-drenivohitra noho ny tsy fahampian’ny fikojakojana ny lalana. Ankoatra ireo lavaka fikotrehan’akoho dia maro ny arabe misy lavaka be tsy fantatra hoe ahoana eny afovoany nefa tsy misy mpanampina. Anisan’ny tena ratsy indrindra izao iny Avaradoha miakatra an’Ampasapito iny. Toy izany ihany koa ny eny Besarety Ambodimanga izay fantatra fa toerana iva sy dibo-drano matetika. Hitera-doza iny lalan’i Besarety iny amin’ny fotoanan’ny orana raha toa ka tsy amboarina dieny izao satria tsy ny fiara ihany no hijabaka ao anaty lavaka fa ny mpandeha an-tongotra ihany koa.

Ho tapi-dalan-kaleha ny mponin’Iarivo raha toa ka tsy henjehina hamboarina dieny izao ireny lalana manomboka simba etsy sy eroa ireny. Ilay mifampiandriandry ihany mantsy no mahavoa ny tompon’andraikitra eto. Tokony dieny mbola vao manomboka ny fahasimbana dia harenina mba tsy hihitatra ka hitombo miaraka amin’izany ihany koa ny fandaniam-bola. Raha ny tena marina aza dia mila fanavaozana tanteraka mihitsy ny lalana rehetra eto an-drenivohitra. Izany hoe tena trongisina tanteraka ireo tara efa mipetaka ary soloina vaovao izay tokony haharitra am-polo taonany maro. Karazan’ny fandaniam-bola fotsiny mantsy ny fanampenan-davaka vonjy tavan’andro izay natao hatramin’ny niandohan’ny Repoblika fahefatra sy nahatongavan’ny ben’ny tanàna vaovao. Vola ariam-potsiny satria roa na telo volana dia simba sahady ireo lalana notapenana. Mila manao tetikasa lehibe ho fanatsarana ny lalana eto an-drenivohitra ny kaominina sy ny fanjakana ary raha mahavita izany izy ireo dia izay no tena antsoina hoe fampandrosoana. Ho an’ireo mponin’Iarivo efa am-polo taonany maro nipetraka dia  mahatsiahy fa mifanindra an-dalana hatrany ny asa fanadiovana sy ny fanamboaran-dalana. Tsaroana etoana ny fomba nanesoran’ny ben’ny tanàna Guy Willy Razanamasy ny mpivarora teo amin’ny tsenan’Anjoma tao Analakely. Tonga dia nosorohiny avokoa ny tara rehetra tamin’ny arabe ka tsy nisy toerana nahafahan’ny mpivarotra tsy ara-dalàna nanao ny asany intsony. Tsy nila nandefa polisin’ny kaominina handroaka entana sy hanenjika mpivarotra ny kaominina tamin’izany fotoana izany fa ny fanamboarana ny lalana teo Analakely dia nampiala ny mpivarotra. Niaraha-nahita ihany koa fa niverina tsikelikely ny gaboraraka teto an-drenivohitra taorian’ny hetsi-bahoaka ny taona 2002 sy 2009 ka mahatonga izao savorovoro amin’ny mpivarotra tsy mety miala izao. Raha te hanatsara sy hametraka an’Antananarivo renivohitra amin’ny laoniny ny mpitantana ny kaominina ankehitriny dia io fanamboaran-dalana io ihany no fomba mahomby sady tsara indrindra. Rehefa manao asa goavana amin’ny fanamboaran-dalana mantsy dia voatery tsy maintsy miala ho azy ny mpivarotra tsy ara-dalàna sy ny fiarakodia miantsona etsy sy eroa. Fotoana ihany koa izany hahafahana manamboatra fotodrafitrasa toy ny tsena hametrahana ireo mpivarotra ary toeram-piantsonana vaovao ho an’ny fiara. Tsy nofinofy izany rehetra izany fa azo atao tsara raha tena miasa ny eo anivon’ny kaominina. Anjaran’izy ireo no mampiseho na mavita na tsia. Ny asa vita no hifampitsarana hoy ny antoko Avi izay.

Ravalo Tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre