Vous êtes ici :

Mardi 26 Novembre 2024

ombre

Toetry ny andro – Mila fahaizana ny fakàna fanapahan-kevitra

Ny météo Madagascar, ao anatin’ny fandaharan’asa « Cadre National pour les Services Climatologiques (Cnsc) » dia maminavina ny hanaparitaka eo amin’ny sehatra nasionaly ny « Cadre Mondial pour les Services Climatologiques ». Ity farany, izay tokony hanampy amin’ny fahazoana bebe kokoa ny tolotra momba ny vinavinan’ny toetr’ andro eto amin’ny firenena. Noho izany, hanao fanambarana momba ny mety ho toetry ny andro amin’ity fotoam-pahavaratra 2016-2017 ho avy ity ny Météo Madagascar. Fampisehoana izay hotanterahina anio 13 oktobra 2016 ao amin’ny Café de la Gare Soarano, Antananarivo. Tanjona amin’ity hetsika ity ny fampahafantarana sy ny fampirisihana ny fampiasana ny fitaovana famantarana ny toetry ny andro. Izany rehetra izany no atao dia mba hahafahana maka fanapahan-kevitra ao anatin’ny sehatry ny “activités météosensibles”. Raha ampahatsiahivina manko dia mbola tsy fotoanan’ny rivodoza akory dia efa nisy ny rivodoza Abela tamin’ny 17 jolay sy Bransby tamin’ny 5 oktobra lasa teo. Vao mainka manamafy ny fisian’ireo rivodoza roa ireo fa ilaina ny mahafantatra sy mahafehy ny tontolon’ny vinavinan’andro.

Ny Tsiky R.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre