Vous êtes ici :

Mardi 26 Novembre 2024

ombre

Manjakandriana – Voatifitry ny dahalo ilay raim-pianakaviana

Tsy mitsaha-mirongatra ny halatr’omby etsy sy eroa, hany ka mandry tsy lavo loha ny vahoaka. Tokantrano iray tany Avaratr’Imahatsinjo, fokontany Ambohitratoko, distrika Ambatomainty, kaominina ambanivohitr’Ankazondandy indray no nisy nanafika tamin’ny 09 oktobra lasa teo, tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany alina. Jiolahy miisa 06 izay nitondra kalachnikov tsirairay avy no nanao tampim-baravarana tao an-tanàna sy nanapoaka basy, araka ny vaovao avy any an-toerana. Nirefodrefotra ny basy tamin’ny fandalovan’ireo dahalo tao an-tanàna ka tsy nisy sahy nivoaka nanohitra azy ireo ny mponina, indrindra fa ireo mpifanolo-bodirindrina tamin’ilay lasibatra. Omby miisa 12 no indray voafaokan’ireo malaso tamin’izany. Nanohitra ny herisetran’ireo olon-dratsy ny raim-pianakaviana tao amin’ ity tokantrano ity tamin’ny fiarovany ny fananany ka voatifitra teo amin’ny sandriny. Taorian’ny fahalasan’ireo olon-dratsy vao sahy nampandre ny mpitandro filaminana ny fokonolona. Zandary maromaro avy ao Andriampamaky no nanao ny fanarahan-dia ka tafaverina ihany ireo omby rehetra saingy tafaporitsaka kosa ireo dahalo. Mitohy ny fikarohana.

Anna Ra.

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre