Ambatondrazaka – May kila ny vary 120 taonina sy kisoa 20
Pitik’afo tsy voafehy no niteraka ny firehetana tao amin’ny tanàna kely iray any Ambatondrazaka andro vitsy lasa izay. Vetivety dia nihitatra ny afo ka trano miisa 96 no indray niredareda sy lasa lavenona tao anatin’ny fotoana fohy. Nisy fitehirizam-bokatra anefa tamin’ireo ka vary milanja 120 taonina no kila sy lasa lavenona tamin’izany. Tsy voaisa intsony ihany koa ny tombambidin’ny entana tamin’ireo trano may rehetra. Ankoatra izany, ripaka ihany koa ny biby fiompy ka kisoa miisa 20 no lasa kitoza tao anaty firehetana. Tena goavana ity afobe nandravarava ity hoy ny mponina any an-toerana ary tsy hita pesipesenina ny fahavoazana. Efa nitondra ny fanampiana maika ny tompon’andraikitra any an-toerana saingy mbola betsaka no tsy ampy ka miantso ny fitondram-panjakana ireo niharam-boina mba hijery azy ireo akaiky. Saika ho isan-kerinandro dia misy foana ny haintrano manerana ny faritra rehetra eto Madagasikara. Mahagaga ihany anefa fa toa misy ny mizana tsindrian’ila amin’ny fanampiana azy ireny. Misy toerana sasany may ny tanàna iray manontolo nefa toa ny tompon’andraikitra ifotony ihany no manao izay ho afany hanamaivanana ny fahavoazan’ireo traboina. Nisy kosa anefa haintrano tamin’ny toerana hafa tena ihazakazahan’ny minisiteran’ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy mihitsy ny mandefa fanampiana kely sy manaparitaka ny fampahafantarana izany amin’ny fampahalalam-baovao.
Dom