Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Mahanoro – Halatra miharo vono olona

Ny faritra Atsinanana iray manontolo iny dia ahitana ireo voly fanondrana any ampita maro tokoa toy ny lavanila,  ny jirofo, ny letisia, eny fa hatramin’ny sakamalaho aza. Mazava ho azy fa vola be tokoa no miditra amin’ireo mpanangom-bokatra raha toa ka zara raha mba mahita rirany ireo tantsaha mpamokatra. Matetika aza dia vidin’iry voalohany mora ireny vokatra aondrana ireny raha toa ka indraindray dia lasibatry ny tontakely sy ny jiolahy ireto farany. Ary dia toy izay tokoa no niseho tany amin’ny distrikan’i Mahanoro iny, tao amin’ny tanàna antsoina hoe Ampitamalandy, fokontany Manakana ao amin’ny kaominina ambanivohitra Masomeloka. Nitrangana fanafihana mitam-piadiana tao amin’ity tanàna ity ny talata lasa teo izay tamin’ny andro mazava be tokoa satria tamin’ny 10 ora sy sasany maraina izany no niseho. Jiolahy miisa efatra nitondra fitaovam-piadiana no nandroba mpandraharaha iray ary dia lasa tamin’izany ny jirofo maina efatra gony izay milanja 200 kilao. Fa ny tena loza dia maty tamin’ity fanafihana ity ny vadin’ilay mpandraharaha raha toa ka olona roa hafa kosa no naratra mafy. Raha izany no izy dia fandrobana sy vono olona ary fandratrana niniana natao no nitranga. Etsy andaniny, azo lazaina fa vola be tokoa no mety ho azon’ireo jiolahy amin’ny fivarotana izany jirofo maina izany satria mahatratra any amin’ny 4 tapitrisa ariary mahery ny tombambidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.  Tsara ihany koa ny manamarika fa hatrany ambanivolo rehetra any dia manjaka tokoa ny tsy fandriam-pahalemana ary ireo mpamboly sy mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana no lasibatr’ireo jiolahy voalohany.

Ho an’ity tranga niseho tany Mahanoro ity dia ny zandary roa avy ao amin’ny tobim-paritry ny zandarimaria ao Masomeloka no nandray an-tanana ny raharaha saingy kely ihany ny finoan’ny mponina ny amin’ny mety hahatratrarana ireo mpanao ratsy. Iny toerana iny koa dia be ala no mivelatra ihany koa ka vetivety foana dia madio ny rano nitàna ho an’ny jiolahy.

Ny Tsiky R.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre