Sambava – Mbola vakansy ny mpianatra !
Ny alatsinainy 03 oktobra lasa teo no daty nomen’ny fanjakana ho fidirana ofisialin’ny mpianatra amin’ity taom-pianarana vaovao 2016-2017 ity. Folo andro aty aoriana anefa dia mbola tsy afaka namonjy ny lakilasy ihany ireo mpianatra any Sambava noho ny fitokonana izay ataon’ny Sempama Nosy, izay sendikan’ny mpampianatra. Mbola tsy fantatra hatreto izay andro hiverenan’ireo kilonga an-dabilio. Ny 07 oktobra lasa teo dia nanao antso avo ho an’ny ray aman-dreny ny talen’ny fampianarana ao amin’ny faritra Sava handefa ny zanany any an-tsekoly. Tsy nahitam-bokany anefa izany satria fantatr’izy ireo tsara ny fisian’ny savorovoro eo amin’ny fanjakana sy ireo mpampianatra mpikambana ao amin’ny sendika Sempama, hany ka tsy narisika firy ireo ray aman-dreny. Ireo mpikambana amin’ny sendika ireo dia mbola manohy hatrany mitaky ny fampiakarana ny tambin-karama mifandraika amin’ny fahalavirana sy ny trano fonenana. Raha atotaly dia mahatratra hatramin’ny iray hetsy ariary eo ho eo ireo tambin-karama ireo. Efa nisy ihany ny dinika niarahana tamin’ny tompon’andraiki-panjakana maro samihafa saingy mbola tsy nahitana vokany nahafa-po aloha izany hatreto. Nisy ihany koa ny fizarana ny « kits scolaires » ho an’ ny mpianatra ary ny filoham-pirenena mihitsy no nidina tany amin’ny faritra Sava, ny marimarina kokoa tao Antalaha ny alatsinany 10 oktobra teo kanefa dia mbola mikatso hatrany aloha ny raharaha.
Etsy andaniny, tsapa ihany fa efa maro ny ezaka vita amin’ny lafiny fampianarana tany amin’ity faritra ity ary nahitana fiakarany ny taham-pahafahana teo amin’ny fanadinam-panjakana tamin’ny taom-pikatrohana farany teo. Ho an’ny mpampianatra dia mazava fa tsy hampianatra raha tsy voavaly ireo fangatahana ireo. Rehefa mitranga ny korontana toa itony dia misy foana ny ankilany fahatelo tafiditra anatin’ny ady ary mizaka vokatra mafy. Hita sy voamarika izany amin’ireo fitokonana maro misy ankehitriny. Ny toe-draharaha miseho any amin’ny faritra Sava dia manamarina ny ohabolan-drazana manao hoe : “ Ny lehibe no miady ka ny ankizy no voaporiporitra”!
Ny Tsiky R.