Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Niseho ny nafenina

Natsikafon’ny orambe izay niteraka fiakaran’ny rano ny nafempenina rehetra teto an-drenivohitra. Mba nanao izay ho afany ihany ny mpitondra Fanjakana sy ny kaominina nanadiodio sy nanamboamboatra ny tanàna mba ho tsaratsara amin’izao fotoana handraisana ny fivorian’ny Comesa izao saingy indrisy ! Vao nirotsaka ny orana dia tondra-drano Iarivo. Tsy nisy dikany ary tsy nisy nilàna aza ny fihetsiketehana be nataon’ny mpanolo-tsaina ara-tekinika manokan’ny ben’ny tanàna izay nidina teny Mahamasina ary nibaiko mivantana ireo mpamafa lalana sy mpanadio tatatra. Tsy nitondra voka-tsoa ho an’ny mponina eny amin’ny faritra iva sasantsasany ny hetsika fanadiovana lakan-drano. Na ilay lalana nolazaina fa handehanan’ny fiara efatra milahatra eny Soarano aza toa lasa renirano ny fijery azy raha tazanina avy eny ambony. Ankoatra ireo dia nanomboka simba avokoa ireo lalana rehetra notampitapenana rehetra teto an-drenivohitra. Nampiseho iny orambe tamin’ny sabotsy iny fa tsy vitan’ny peta-toko ny asa fampandrosoana fa mila fametrahana fotodrafitrasa mafy sy maharitra. Efa tsy ampy ny tanànan’Antananarivo renivohitra intsony ny fandraofana fotaka sy fako any anaty tatatra mba hanatsarana ny fivoahan’ny rano miandrona. Mila mametraka tambajotram-panarian-drano vaovao sy malalaka ary mateza eto ny fitondram-panjakana raha tena te hampiseho fa miasa.

Efa nampimenomenona ny hevi-bahoaka mantsy ny fanaovana tandrametaka ny asa fanatsarana an’Antananarivo hatramin’izay. Handray vahiny dia roahina avokoa ny mpivarotra amoron-dalana izay heverina ho manelingelina. Esorina avokoa ny fiaran’olona fa endrikendrehina ho mibahan-dalana. Raha tsorina dia natao fotsiny izay hanesorana izay heverina ho manelingelina sy mahamenatra mba hanehoana amin’ireo vahiny fa misy kaominina sy fitondram-panjakana miasa eto. Ny lalànan’ny natiora anefa tsy azo atao na inona na inona ary mampiseho hatrany ny tena zava-misy marina. Ny orambe tsy azo anaovana kolikoly mba tsy ho avy. Ny rano tsy azo ampitahorina amin’ny basy mba tsy hiakatra. Ho an’ny foto-kevitra sasany dia mampiseho fanambarana sy hafatra ny tranga natoraly toy ny orambe sy horohorontany ary haintany. Tamin’iny herinandro lasa iny mantsy i Madagasikara dia sady niaritra haintrano sy doro ala miampy hafanana be, no nisedra horohorontany ary nianjadian’ny orambe sy tondra-drano. Saika nitranga teto avokoa ny loza mahatsiravina rehetra izay toa miara-dalana amin’ny tsy fifankahazoana ara-politika sy fifankahalana etsy sy eroa. Maro amin’ireo mpandala ny finoana nentim-paharazana no mandika ireny tranga ireny ho hafatra avy amin’ny hery tsy hita maso mba hampatsiahivana ny vahoaka sy ny mpitondra firenena fa miharatsy andro aman’alina ny zava-misy eto. Mila miova toetra sy manao ny marina ny malagasy mba tsy hianjadian’ny kapoka avy amin’ny mpahary. Raha jerena tokoa mantsy ny zava-misy eto dia manjaka ny herin’ny ratsy ary toa malemy ny rehetra manoloana izany. Vono olona, halatra, fisolokiana, kolikoly, fanodikodinam-bola, fifanaratsiana, ary fifankahalana no manjaka eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Mihazakazaka any amin’ny lojikan’ny ady sy ny fifandonana ary ny fifamonoana ny rehetra. Hevitra tsy mitovy dia miafara amin’ny tsatok’antsy sy fanapahan-tenda. Santionany izany fa marobe ny tsy an-drariny eto amin’ity firenena ity. Lasa didin’ny be sandry sy ny kely tsy mba mamindro, sy didin’ny be vola sy ny mahantra tsy afa-miteny sisa no iainana eto. Azo ovaina tsara anefa izany toetra ratsy rehetra izany ary tsy ilàna famatsiam-bola avy any ivelany fa finiavana hamitram-pihavanana sy handamina miaraka ny fiarahamonina ary ny fitantanan-draharaham-panjakana ihany dia ampy. Ny mpitondra fivavahana ihany kosa dia milaza fa mila mibebaka mihitsy ny malagasy mba hialana amin’izao loza tsy an-kiato misesisesy izao. Raha jerena amin’ny lojika dia marina ny an’ny mpitondra fivavahana satria ny fibebahana dia midika ho fiovan-toetra hiala amin’ny ratsy.

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre