Imerintsiatosika – Maty novonoin-janany
Tranga mampalahelo tokoa no niseho tao amin’ny ny fokontany Miakadaza, kaominina Imerintsiatosika ny zoma 14 oktobra lasa teo. Raim-pianakaviana 64 taona no hita faty tao an-tranony tamin’ny 6 ora maraina. Raha ny nambaran’ny fianakavian’ity nodimandry ity dia ny zanany lahy ihany no namono nafaty azy. Tsy fantatra aloha izay tena antony mety ho nahatonga ilay fifandirana fa raha ny nolazain’ny fianakaviana hatrany dia tsy salama saina loatra io tovoloahy navanon-doza io. Notanana vonjimaika ao amin’ny borigadin’ny polisy any Imerintsiatosika ity farany mba hatao fanadihadiana. Tsy hita moa izay azo atao amin’ny raharaha tahaka ’itony noho ilay lehilahy tsy dia salama saina loatra, andaniny sarotra ihany koa anefa ny hamela azy hiriaria satria nahavita nandatsaka aina.
Ny Tsiky R.