Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Soavinandriana – Telo mianaka nokapain’ny jiolahy tamin’ny famaky

Misesy aoka izany ny fanafihana mitam-piadiana eto amin’ny firenena. Jiolahy miisa sivy nirongo fitaovam-piadiana samihafa no tonga nanafika tokantrano iray tao Ambatoasana, distrika Soavinandriana, faritra Itasy tamin’ny 14 oktobra lasa teo tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany alina. Araka ny vaovao voaray dia novakian’ireo olon-dratsy ny varavarana ka avy hatrany dia niditra an-keriny tao an-trano izy ireo. Tsy nisy fitadiavana vola na harena sarobidy fa nokapain’izy ireo tamin’ny famaky avy hatrany ny lohan’ny renim-pianakaviana 40 taona sy ny zanany roa 20 sy 18 taona. Izy telo mianaka ireo irery no tao an-trano tamin’io  fotoana io. Vantany vao nahare ny kotaba sy ny kiakiakan’izy ’ireo ny manodidina sy ny zandary tany an-toerana dia nihazakazaka nijery ny zava-nisy. Ireo jiolahy kosa nitsoaka sady naka ireo finday roa teo ambony latabatra. Tsy nItsahatra nanao tifi-danitra izy ireo nandritra izany fitsoahana izany. Nalefa teny amin’ny CsbII any an-toerana haingana izy ireo mba hahazo fitsaboana. Niharatsy anefa ny fahasalamana noho ny fahaverezan-dra be loatra ka voatery nafindra ao amin’ny Hjra izy ireo. Mbola mitohy ny fikarohana ireo jiolahy ireo amin’izao fotoana izao.

Anna Ra.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre