Fahavaratra – Efa dibo-drano sahady eny amin’ny Descours
Tsy mbola tena tonga akory ny fahavaratra dia efa dobo-drano sahady eny amin’iny manodidina ny Descours eny amin’ny faritra Soanierana iny. Avy in-droa miantaona fotsiny manko ny orana tamin’iny herinandro iny dia efa nisy fiantraikany goavana teto amin’ny tanànan’Antananarivo izany. Efa nandrava izay azony noravaina koa ny riaka ary hita fa tatatra maro no efa tsentsina indray amin’izao fotoana izao raha tsy hiteny afa-tsy ny eny Anosy isika, ny eny Atsimbazaza sy ny eny Andavamamba. Mijaly sahady noho izany ny olona, na ireo mpandeha fiara na ireo mpandeha an-tongotra, indrindra fa ireo fiara karetsaka, izay iva. Efa sarotra iampitana sahady eny amin’iny Descours iny. Misy aza ireo mpitatitra no mitaraina fa manimba fiara io rano miangona io satria efa hila ho difitra mihitsy izany, indrindra rehefa tena avy be iny ny orana. Efa aman-taonany maro tokoa mantsy no tsy voavaha intsony io olana tatatra tsentsina io. Ny mahagaga na efa nisy fanamboarana aza ny lalana na efa nesorina aza ny fako nanentsika ireo tatatra eny amin’ny manodidina dia mbola miangona sy mameno ny arabe ihany ny rano. Tsy fahaizan’ireo teknisiana mpanao ny lalana ary ve no anton’izany sa kosa antony hafa mihitsy. Ny azo lazaina aloha dia aleo misoroka dieny izao mbola tena tsy ao anatin’ny fahavaratra izao amin’ny alalan’ny fanadiovana ny lakan-drano isan-karazany sy ny fanapahana ny hazo mety hitera-doza fa rehefa tena avy eo io orana io dia fijaliana indray no ho ita.
Ra Tax.