Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Delestazy – Nodoran’ny mponina ny biraon’ny Jirama tao Farafangana.

Efa mampikaikaika ny vahoaka efa an-taonany maro ity resaka delestazy ity ary mbola tsy misy vahaolana maharitra mba naroson’ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny Jirama na koa avy amin’ny fanjakana , na fampisehoana finiavana hanova sy hanatsara ny fomba fiasa  hatramin’izao. Misy fiantraikany mivantana amin’ny fiainana andavanandron’ny vahoaka anefa io fahatapahan-jiro io ka izay no mahatonga azy ho resaka azo sokajiana ho saro-pady ihany. Efa andro maromaro izay no tsy niverina ny jiro tany Farafangana ka niaina tao anatin’ny aizina tanteraka ny mponina. Tamin’ny sabotsy teo indray dia tapaka ihany koa ny rano, araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana. Romotra tanteraka àry ny mponina nanoloana izany ka nirohotra nizotra ho any amin’ny biraon’ny Jirama tany an-toerana, nahoraka ny feon’ny kiririoka sy ny tabataba nataon’ireo vahoaka marobe tafavory. Tsy nisy tompon’andraikitra anefa tao amin’ilay birao ka dia vao mainka tsy laitra nofehezina ireo mpanao diabe ka nitora-bato, sy nandoro ilay birao. Tonga ny mpitandro filaminana ka nirefotra ny basy, izay natao tifi-danitra, niroso tamin’ny fanaparitahana ireo olona mbola teo an-toerana ireo zandary nefa dia fanoherana mahery vaika hatrany no navalin’ireo vahoaka izay tena sorena amin’ny afitsoky ny Jirama. Vokatr’izany, zandary 2 no naratra nandritra ny fifandonana ary olona 5 no voasambotra. Notazomina ao amin’ny tobin’ny zandary izy ireo. Araka ny vaovao avy any an-toerana hatrany dia tsy nisy ny aina nafoy tamin’izay karazana hatezerana tampoka avy amin’ny vahoaka izany. Efa tratra aoriana kosa ireo mpamonjy voina ka efa may sy kilan’ny afo ilay trano. Tsy nisy azo noraisina intsony ireo fitaovana tao amin’ilay birao, levon’ny afo avokoa ny taratasy sy faktiora tao anatiny. Niparitaka ihany ireo olona marobe tonga teny an-toerana saingy mbola be kosa ny lonilony ananan’izy ireo ary vao mainka aza niakatra izany noho ny fampiasan-kery nataon’ireo mpitandro filaminana. Azo lazaina fa tsy miaina sy tsy milamina intsony ny tanànan’i Farafangana amin’izao fotoana izao, ny asa tsy misy mandeha noho ny fahatapahan-jiro, ny mpivarotra rehetra nanidy varavarana noho ny fahatahorana izay mety ho tohin’ny toe-draharaha sy izay mety ho fihoaram-pefy ataon’ireo mpikomy.

Ny Tsiky R.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre