Vous êtes ici :

Mardi 26 Novembre 2024

ombre

Hitohy eny Tsimbazaza ny adilahy !

Hisokatra anio ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny parlemanta malagasy amin’ity taona ity. Samy hiatrika izany ny Antenimierandoholona sy ny Antenimieram-pirenena. Ity farany no tena fanta-daza sy mahaliana ny vahoaka noho ny fihetsik’ireo solombavam-bahoaka ao aminy. Hatramin’ny niandohan’ity Repoblika fahefatra ity tokoa mantsy dia niavaka raha samy andrim-panjakana ny eny amin’ny Antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza eny. Mahay fihetsiketsehana sy manisy tsirony ny raharaham-pirenena mihitsy ireo depiote ireo.

Efa hita teny avokoa ny fihetsika nanafintohina, ny nahatsikaiky ary ny nankasitrahan’ny vahoaka. Nahavariana ny maro, ohatra, ny mahita ny sarin’ireo depiote mihinana mofo be fotsiny ao anaty fivoriana, ny sasany matory daholo, ny hafa kosa mifanasa vangy sy mamoritra tanan’akanjo avokoa fa hanao totohondry noho ny hevitra tsy mitovy. Tsy mahagaga izany rehetra izany ary tsy afaka hitsikerana na hanamelohana ireo olom-boafidy ireo satria taratry ny fiarahamonina. Olona nivoaka avy eny anivon’ny vahoaka ny depiote ka tsy maintsy mampiseho ny toetran’ny fokonolona ihany koa. Misy mamo lava eny an-tanàna, dia misy depiote toakalahy ao Tsimbazaza. Misy mpanao kolikoly eny amin’ny vahoaka dia mba misy depiote manao izany ihany koa. Eto amintsika rahateo mbola resa-be fotsiny ny fampiharana ny tany tan-dalàna sy ny ady amin’ny kolikoly satria misy sokajin’olona sarotra enjehina noho ny antony samihafa.

Tsikaritra kosa ary tsy azo lavina mihitsy fa tena mbola lapan’ny demokrasia ny eny Tsimbazaza. Malalaka ny fitenenana sy ny fanehoan-kevitra eny ary tsy misy mandefona ivoho fa tonga dia basy atifi-kavana no arangaranga. Io antony io no mahatonga fifamaliana sy fifandirana lava eo amin’ny samy solombavam-bahoaka. Na izany aza dia eny amin’ny sehatry ny asa ao an-dapa ihany izy ireo no mifandrafy fa ivelan’izay tena mahay miray hina tanteraka. Izay mahay manambitamby sy mahay mandresy lahatra ny solombavam-bahoaka eto Madagasikara dia mandeha ho azy ny raharaha rehetra. Porofon’izany ireny volavolan-dalàna aroson’ny governemanta ireny. Lany avokoa izay aroso rehetra na dia misy fifandirana sy savorovoron-kevitra aza mialoha izany. Amin’izao fotoam-pivoriana ara-potoana faharoa izao dia mitodika any amin’ireo depiote ny mason’ny rehetra indrindra amin’ny sehatry ny politika. Manana ny lanjany sy ny fahefany mantsy ireo parlemantera ireo amin’ny hoavin’ny firenena.

Eo am-pelatanan’izy ireo, ohatra, ny tetibolam-panjakana 2017, ny lalàna mikasika ny fampihavanam-pirenena, ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany ary mety mbola azo resahina ihany koa ny kaody mifehy ny serasera. Ankoatra ireo dia tsy azo hadinoina fa manana ny fahefana hampiato ny Filoham-pirenena na ny Praiminisitra amin’ny asany ihany koa ireo depiote raha toa ka misy mitaky izany ary mahavita manaporofo fa ilaina izany. Io antony farany io no heverina ho nampangingina ny fitokonana lavareny sy ny fitakiana politika, tato anatin’ny andro vitsivitsy izay. Aleon’ny mpanao politika manambitamby ny parlemantera mba hanao fitsipaham-pitokisana ny mpitondra ka hampiongana ireto farany toy izay hitarika hetsi-bahoaka izay efa taratra mazava fa tsy hahomby. Heverina fa olon-kendry sy manan-tsaina afaka mandinika sy mandalina anefa ny parlemantera malagasy ka tsy ho voarebirebin’ny torohevitra diso izay vao mainka mety hanakorontana ny firenena. Andrasan’ny vahoaka amin’izy ireo ny fandraisana andraikitra mba ho an’ny tombontsoan’ny firenena tanteraka fa tsy ho an’ny tombontsoa manokana. Tsy azo afenina ihany koa mantsy fa anisan’ny lesoka sy tsikera matetika mahazo ny Antenimieram-pirenena ny fiovaovan-kevitra matetika izay miteraka ny tsy fahamarinan-toerana eto amin’ny firenena. Mbetika lasa mpanohitra ny maro an’isa, tampotampoka eo anefa lasa manohana ny fitondrana indray. Lasa miteraka savorovoro sy tsy fifampitokisana amin’ny vahoaka ny toy izany ka mila mandalina tsara ireo depiote mba tsy ho lasa kianjan’ny adilahy politika ny ao Tsimbazaza.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre