Vous êtes ici :

Mardi 26 Novembre 2024

ombre

Andravako – Tovolahy 15 taona, kilasy faha-3 no tsy hita

Ny harivan’ny alahady 09 Oktobra lasa teo Randriamiarintsoa Safidy no niala tao an-tranony nirahin’ny ray aman-dreniny hanondraka ketsa. Tsy niverina tao an-tranony anefa izy hatramin’izao. Notadiavina tany an-tanimbary izy ny harivan’io andro io ihany fa tsy hita tany intsony. Ny alatsinainy 10 oktobra ihany ireo Ray aman-dreniny dia nampandre ireo mpitandro filaminana sy zandary tany Itaosy saingy mbola tsy nahazoana vaovao aloha hatreto raha araka ny nambaran’ireo fianakaviana. Tovolahy 15 taona i Safidy, mirefy 1 metatra sy 60 izy ary zarazara hoditra. Mipetraka ao Andravako-Ankadimanga Antsimondrano izy. Raha ny fantatra dia pôlô maitso mitsipitsipika fotsy sy short maitso no akanjo nanaovany tamin’izy niala tao an-trano. Mpianatra kilasy faha-3 ao amin’ny kolejy Sandratra ao Andravako izy. Efa nanontaniana ihany koa ireo mpiara-mianatra aminy fa tsy misy mahalala izay mety hisy azy. Salama saina tsara ity tovolahy ity ary tsy nisy ady na antony hafa mety ho nampitsoaka azy tao an-trano. Efa manao izay ho afany rehetra ny rainy Rafidimanantsoa Laurent sy ny reniny Raharimalala Victorine ary ny fianakaviana manontolo amin’ny fitadiavana azy koa miangavy ireo izay rehetra manana vaovao momba azy mba hiantso ny laharana 0345138718 na 0328410875.

Ny Tsiky R.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre