Vous êtes ici :

Mardi 26 Novembre 2024

ombre

Nosy Be – Vazaha iray notafihan’ny jiolahy

Saika hita sy re amin’ny faritra maro manerana ny nosy ny fanafihana tokantrano. Tamin’ity indray mitoraka ity dia tranom-bazaha iray no norobain’ny andian-jiolahy. Ny 14 oktobra lasa teo mantsy, tokony ho tamin’ny 7 ora maraina teo dia tokantranon’ny vehivavy iray  56 taona, manana zom-pirenena italiana, mipetraka ao Belazalaza, distrika Nosy Be, faritra Diana no notafihan’ireo jiolahy. Araka izany novakian’izy ireo tamin’ny alalan’ny herin-tsandriny ny varavarana fidirana satria fantatra fa tsy nisy fitaovam-piadiana sy tsy nisaron-tava izy ireo. Vantany vao nahare izany kapoka varavarana izany ilay vazaha dia namoaka ny basiny ka dia nitifitra avy hatrany. Saingy tsy nahavoa ireo mpanafika nefa ilay tifitra. Setrin’izany,  novoinoin’izy ireo ity tompon-trano ka voa mafy tamin’ny faritry ny lohany. Avy hatrany dia nalain’ny jiolahy iray ilay basy teny an-tanany. Raha ny vaovao voaray moa dia mbola nisy bala telo io basy lasan’ny jiolahy io ary mbola manana hafa ankoatra an’io anefa ilay vehivavy italiana. Saika mbola handeha haka ilay basy hafa tao anaty fitoerany ity farany, kanefa ireo olon-dratsy efa tafatsoaka. Fantatra àry, araka ny loharanom-baovao hatrany fa tsy nisy afa-tsy ilay basy iray ny entana nentin’ireo jiolahy. Mbola mitohy ny fikarohana ireo olon-dratsy izay tontosain’ny borigadin’ny polisy ao Dzamanjary.

Anna Ra.

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre