Vous êtes ici :

Mardi 26 Novembre 2024

ombre

RN7 – Sprinter nilatsaka avy eny ambony tetezana

Efa fanaon’ireo taksiborosy mampiasa iny lalam-pirenena faha 7 mampitohy an’Antananarivo sy ny faritra Atsimo iny ny miainga vao mangiran-dratsy. Noho ny halaviran-dalana sy ny fanenjehana fotoana matetika no mahatonga ireo mpitatitra manao toy izany ary matetika dia manana hafainganam-pandeha avo izy ireo ka mahatonga ny loza. Toy izay nitranga tany amin’ny faritra Vakinankaratra, izay faritra avo ka matevina dia matevina ny zavona rehefa maraina ary tsy ahitana mihoatra ny 3 metatra eo anoloana indraindray raha mandeha fiara. Mila fitandremana sy fifantohana koa iny lalana iny noho ny fiolakolanana be loatra sy ny fahateren’ny lalana. Ireo tetezana ihany koa izay tsy omby afa-tsy fiara iray matetika.

Kilometatra maromaro tsy hidirana an’Ambohimandroso, teo anivon’ny tetezana Beatombo, no nitranga ity loza ity. Raha ny voalazan’ireo mpandeha dia nentim-pahazarana ilay mpamily ka tsy nampidina ny hafainganam-pandehany, solifatra tampoka ity farany satria tsy tanaty ny lalana intsony izy, tery manko io tetezana io ka tsy tafiditra tanteraka tanatiny ilay fiara, nitsimbadika izy io ary nilatsaka metatra maromaro mihitsy alohan’ny nilatsahany tamin’ny tafo teo amin’ny rano tao ambanin’ilay tetezana. Vokatr’izany, mpandeha iray no maty tsy tra-drano ary saika naratra avokoa ireo mpandeha sy ilay mpamily. Ny fiara kosa potika tsy nisy noraisina. Somary nananosarotra ny famoahana ireo olona tao anatin’ny fiara satria fasika matevina sy mampilentika ny manodidina ilay fiara ka naharitra ora iray teo ho eo izany. Nentina nihazo ny hopitaly avokoa ireo mpandeha sy ilay mpamily fiara. Efa tsy tambo isaina izay ny lozam-pifamoivozana naterak’itony fiara Sprinter itony, ary aina maro no efa nafoy. Tsy fantatra raha ny toetran’ilay fiara mihitsy no tsy natao ho an’ny lalana eto Madagasikara na ireo mpamily no tsy mahafehy ny familiana azy itony. Na izany na tsy izany dia tokony hitandrina hatrany ireo mpamily taksiborosy satria ain’olona maro no eo am-pelatanan’izy ireo.

Ny Tsiky R.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre