Vous êtes ici :

Mardi 26 Novembre 2024

ombre

CNaPS – Miara-miasa amin’ny sekoly katolika

Nitohy tao amin’ny Diosezin’i Morombe ny fiofanana nomen’ny tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy (Cnaps) ho an’ireo talen-tsekoly katolika. Ity diosezy ity no diosezy faha-20 nahazo fiofanana momba ny fiahiana ara-tsosialy tahaka izao eo anivon’ny fampianarana katolika, taorian’ny diosezin’i Taolagnaro sy Farafangana. Ny diosezin’i Fianarantsoa sisa dia samy nahazo ny anjarany avokoa ireo diosezy eran’i Madagasikara. Lohahevitra nodinihina nandritra ny fampiofanana ny hoe : « ny maha izy azy ny sekoly katolika manoloana ny zo ara-tsosialy ». Tanjona, hoy ny sekretera jeneralin’ny sekoly katolika manerana an’i Madagasikara na ny Dinec ny R.P Ranaivoson Jules ny hahafantaran’ireo talen-tsekoly katolika ny lalàna momba ny zo ara-tsosialy ka hisorohana ny karazana olana eny anivon’ny fitsirihana ny asa. Mba hisian’ny fampandrosoana eo anivon’ny sekoly ihany koa satria tany aloha raha noheverina ho mampikatso ny fampandrosoana ny fanajana ny zo ara-tsosialin’ny mpiasa, efa singa iray andrefesana ny fandrosoana kosa izany ankehitriny.

Izany no nahatonga ny sekoly katolika ho mpiara-miombon’antoka akaiky amin’ny Tahirim-pirenena ka mby amin’izao hoe diosezy tokana sisa no tsy nahazo fiofanana. Nampahafantarina nandritra izay roa andro izay ny lalàna mifehy ny asa sy ny zo ara-tsosialy, ny tokony hatao sy ny tsy tokony hatao. Nampahafantarina nandritra izay roa andro izay ny lalàna mifehy ny asa sy ny zo ara-tsosialy ary ny tokony hatao sy ny tsy tokony hatao. Ny tsy maintsy hanambaràna eny anivon’ny Cnaps ireo mpampianatra raha vao misy ny fandraisana azy ireny indrindra no tsy maintsy hanomezana ireo zo samihafa atolotry ny Cnaps rehefa feno ny fepetra takiana amin’izany. Toy ny fiahiana ara-pianakaviana, ny volan-jaza, ny volan’ny bevoka, ny volan’ny mpitaiza kely, ny solon-takaitra na ny fanonerana noho ny aretina manjo ny mpiasa eo am-perin’asa na niharan-doza ary farany ny momba ny fisotroan-dronono.

Safidy Andrianina

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre