Vous êtes ici :

Mardi 26 Novembre 2024

ombre

Ambinany – Afaka madiodio malaso, nigadra ny tompon’omby

Ny 3 jolay lasa teo dia nisehoana fanafihana malaso tany Ambinany, Fokontany Lambandy any amin’ ny Kaominina Malakialina any Mampikony. Tokony ho tamin’ny iray ora maraina teo no niseho izany ary dahalo 12 nirongo basy no nangalatra omby miisa 37 tamin’izany. Nanara-dia avy hatrany ny tompon’omby. Ity farany izay naratra mafy teo amin’ny tongony vokatry ny fitifirana nataon’ireo dahalo tao Mahajamba. Ny andro alina izay tsy nisy nifankahitana no nahatonga izany araka ny vaovao azo. Taorian’izay dia nampandrenesina ihany koa ny tompon’omby iray tany Ambovombe Androy izay tonga tany an-toerana rehefa naharay ny vaovao. Ity farany no nampandre ny zandary tao Mahajanga sy ny tao Malakialina ka niroso avy hatrany tamin’ny fanarahan-dia ihany koa. Araka ny loharanom-baovao dia naka ny polisin’ny Bc sy Fip tao Mangarivotra Mahajanga rehefa tonga izy ireo.

Vokatr’izany, sarona noho izany ny jiolahy miisa telo antsoina hoe Lezafy, Edouard ary Robert  ary nentina tany amin’ny biraon’ny polisy ao Mahajanga. Izy telo lahy moa dia niaiky ny heloka vitany ary nanondro ny olona nahazoany ny basy nampiasainy. Olona efatra monina ao amin’ny fokontany Betara any amin’ ny Kaominina Sarobaratra no voatonona tamin’izany. Sarona tao ireo omby 37 isa vao avy nangalarina. Ireto voasambotra moa dia nanambara ny fomba famoahana ireo omby halatra ka anarana tompon’andraikitra ambony maromaro koa no voatanisa tamin’izany. Araka ny vaovao voaray ihany dia nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao Manerinerina indray ny tompon’ omby ka notazomina nandritra ny tapa-bolana. Nalaina noho izany ny basin’izy ireo izay naverina ihany rehefa nahitàna taratasy ara-dalàna. Tsy vitan’ izay anefa fa nadoboka am – ponja vonjimaika ny iray tamin’ ireo tompon’ omby rehefa nentina tany amin’ ny fitsarana Maevatanana. Ilay naratra voatifitra kosa nahazo fahafahana vonjimaika ary samy miandry ny fotoana hitsarana azy avokoa izy ireo. Etsy ankilany, afaka avokoa ireo olon – dratsy. Nanao fety tao amin’ny tanàna nanaovany fanafihana mihitsy aza ry zalahy taorian’izay. Sady very fananana no nidoboka am-ponja kosa ilay tompon’omby.

Ra Tax

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre