Afrikanina manambany malagasy
Vitsy dia vitsy ireo filoham-pirenena afrikanina mivondrona ao amin’ny Comesa no tonga nanatrikany fihaonana an-tampony izay atao eto Madagasikara hatramin’ny omaly. Solontena toy ny filoha lefitra sy praiminisitra no nalefan’izy ireo. Mahagaga ihany raha samy eto Afrika no hifanao fihetsika toy izany. Sidina ora vitsy fotsiny dia tonga aty Madagasikara raha tena te hanatrika ilay fihaonana fa matoa tsy tonga dia tsy te hahalala izay atao aty. Ny Filoha Hery Rajaonarimampianina anefa tsy mbola nandà fanasana izany fa mandeha hatrany rehefa misy fihaonana iraisam-pirenena nahazoany fanasana. Sady fanomezam-boninahitra an’i Madagasikara io fomba fanaony io no fanajana ny firenen-kafa ihany koa. Tsy mba izay anefa no navalin’ireo afrikanina fa dia tsy tonga tsotra izao ry zareo. Tsy namana izany matoa tsy tonga e! Tsy dia misy ilana ireo rahateo saingy mampihetsika ny hambom-po kosa ny toetra asehony.
Raha ny tokony ho izy dia tena nilain’ity fihaonana an-tampon’ny Comesa ity mihitsy ny fanatrehan’ireo filoham-pirenena miisa 21 ao anaty fikambanana. Izay rahateo no maha fihaonana an-tampony azy, satria ny samy Filoha no mifandinika sy miara-manapa-kevitra. Hisy rahateo ny famoahana ilay antsoina hoe “Fifanarahan’Antananarivo” aorian’ny fihaonana ka tokony ho ny Filoham-pirenena rehetra no manao sonia an’io. Ny hafa anefa tsy nivaky loha ary tsy te ho aty Madagasikara ka solontena no nalefany.
Mila tonga saina ihany ny mpitondra eto amintsika satria toa mandeha ila ilay fanamafisana ny fifandraisana amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ny afrikanina ary etsy akaiky etsy sady heverina ho mpirahalahy amin’ny malagasy, tsy mazoto ho aty amintsika koa mainka fa ny firenen-kafa. Raha ity nasehon’ny Comesa ity no jerena dia ahiana hangaina tsy hahita vahiny manan-kaja maro araka ny nantenaina ny mpikarakara ny fihaonana an-tampon’ny frankofonia izay hatao ny volana novambra ho avy izao. Tsy maintsy mitovitovy avokoa mantsy ny fandraisan’ny sehatra iraisam-pirenena ny mikasika an’i Madagasikara. Tongo-bakivaky koa sady maharary no mahamenatra satria na tiana na tsy tiana dia mbola ao anatin’ny sokajin’ny zanak’Ikalahafa ity firenena ity. Na dia mirehareha ho nahavita ezaka lehibe aza ny mpitondra satria namerina ny fifampitokisana eo amin’i Madagasikara sy ny iraisam-pirenena dia mbola betsaka ny dingana tokony ho lalovana. Anisan’ny olana iray tsy mety mampiakatra ny endrik’i Madagasikara eo anatrehan’izao tontolo izao ny fitarozahan’ny asa fampandrosoana. Saika zavatra ratsy hatrany mantsy no heno raha vao miresaka an’ity firenena ity. Voalohany amin’ireny ny fahantrana lalina izay tsy misy izay tsy mahalala azy. Farany sy mitana ny rambony hatrany mantsy i Madagasikara amin’ny fanasokajiana iraisam-pirenena rehetra. Ireo tany miady an-trano sy rotiky ny fifamonoana no mitovitovy sokajy amintsika raha ny fahantrana no jerena. Mbola lesoka goavana ho an’ny mpitondra ihany koa ny firongatry ny tsy fandriam-pahalemana. Marobe ireo vahiny maty misy mamono noho ny asan-jiolahy sy ny lonilony fotsiny ka mahatonga ny vazaha sy ny afrikanina sasany tsy tahotra tsy henatra sahy manasokajy ny malagasy ho olon-dia. Ireo firenena lazaina fa namana sy mpiara-miombona antoka akaiky rahateo tsy mitsahatra manaratsy an’ity Madagasikara ity. Voalohany amin’izany firenena mpihatsara ivelan-tsihy mody namana nefa manao izay handetehana an’i Madagasikara izany ireo nosy manodidina toa an’i La Réunion sy Maurice. Havanana mihitsy ireto farany mampiasa ny sehatry ny fampahalalam-baovao mba hanaratsiana an’i Madagasikara amin’ny endriny rehetra. Izany rehetra izany dia maneho fa somary diso paikady ihany ny mpitondra fanjakana malagasy raha nanao ho laharam-pahamehana ny fanatsarana ny fifandraisana amin’ny vahiny. Azo arenina anefa izany lesoka izany ary mbola tsy tara raha toa ka manova paikady. Averina hatrany fa aleo mamitram-pihavanana sy manamafy ny fifampitokisana amin’ny vahoaka malagasy. Raha mahazo ny fankatoavana sy ny fanohanan’ny vahoaka mantsy ny mpitondra dia ho foana ho azy ireo tranga rehetra lazaina fa vato misakana ho an’ny fampandrosoana.
Ravalo tsy Manana