Namaza House Blues Club Itaosy – Mifanjevo any amin’ny tribonaly ny tompony sy ireo nividy azy
Toerana fanta-daza, ary nanana ny maha izy azy, tany amin’ny taona 90 tany ho any izany Namaza House Blues Club tao Itaosy izany. Toerana kely fialana hetaheta sy fijerena seho artistika toy ny Piment Café sy Le Glacier amin’izao fotoana izao izy io saingy ny gadona Rock no tena nahafantarana azy. Toerana anisan’ny nampalaza ireo tarika maromaro miangaly io gadona io tokoa raha i Namaza House Blues Club toa an-dry Iraimbilanja, Kiaka, Ambondrona. Na ny nitantana azy tamin’izany fotoana izany aza dia ny mpiandraikitra na manager ny tarika Irambilanja. Marihina fa efa nikatona efa taona maro lasa izay io toerana io. Ankehitriny dia misy vaovao indray momba azy ary tsy ny fiverenany hisokatra akory izany fa resaka hafa mihitsy indray. Taona maro taorian’ny nikatonany mantsy dia nisedra olana ireo tompony izay nitarika ny fanaovana lavanty ilay toerana. Mpivady efa nisaraka izy ireo ary samy manana anjara tamin’izany saingy ny 50% dia io nisy nivarotra io ka voalaza fa lehilahy vadina solombavam-bahoaka mapar mpihira Rnb taloha no naka azy. Io fivarotana io izay tsy nifanarahany tamin’ireo tompony taloha akory ka mitarika fifampitoriana eo amin’ilay manager Iraimbilanja taloha tompon’ny toerana sy io vadina depiote io. Eo ampelatanan’ny fitsarana amin’izao fotoana izao ny raharaha. Ny olana hafa manaraka izany koa dia misy mpihira malaza iray mihira ilay « Samy mahery » no nampanofain’ity farany an’io trano io ankehitriny ka lasa mihosona anatin’ilay raharaha koa izy amin’izao fotoana izao.
Ra Tax.