Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Faritra Itasy – Tompon’andraikitra 150 nahazo fiofanana avy amin’ny CNaPS

Nisy ny fanatanterahana loabary an-dasy tao amin’ny Radio Atomic tany Ampaisokely Miarinarivo, ny 5 ka hatramin’ny 7 oktobra lasa teo. Nahatratra150 ireo mpandray anjara tamin’izany ka Ben’ny tanàna ny 35 tamin’ireo. Tonga nanome voninahitra ity fotoana ity ny solontenam-panjakana ao amin’ny Faritra Itasy, isan’izany ny lehiben’ny Faritra sy ny Prefen’i Miarinarivo. Noresahana nandritra ny hetsika ny momba ny Cnaps sy ny andraikiny ary ny asa ataony fa teo ihany koa ny fampahafantarana ny zon’ny mpiasa izay tsy maintsy omen’ny mpampiasa azy ireo amin’ny alalan’ny  Cnaps. Mbola maro ireo mpiasa no tsy misitraka ny fiahiana ara-tsosialy eto Madagasikara. Anisan’ny anton’izany ny tsy fandoavan’ireo ivotoeram-piasana ny latsakemboka any amin’ny Cnaps. Ity farany izay misahana ny fiahiana ara-tsosialin’ny mpiasa voafehin’ny Satan’ny asa sy ny lalàna an-dranomasina. Voakasik’izany ny sehatry ny fampianarana, ny fambolena, ny fiangonana ary ny asa an-trano.  Olana ny tsy fifamatoran’ny mpampiasa amin’ny Cnaps any amin’ ny faritra Itasy.

Taorian’ny adihevitra dia nanambara ny Prefen’i Miarinarivo, ny Administrateur civil Herinjanahary Josoa, fa hoampidirina ao anatin’ny “dépenses obligatoires” miaraka amin’ny karama ny latsak’emboka aloa any amin’ny Cnaps mba ho fitsimbinana ny zo fototry ny mpiasa. Nilaza kosa ny “Directeur du contrôle de gestion” eo anivon’ny tahirim-pirenena, Razafindraibe Jean Jacques, izay nitarika ny delegasionina nandritra ity fifandresen-dahatra ho tombontsoan’ny mpiasa ity fa efa hatramin’ny taona 2013 no nisian’ny fiaraha-miasa eo @ Cnaps sy ny fitantanam-bola sy ny tetibola. Tsy hadino ny namporisika ireo ivotoeram-piasana rehetra misy ao amin’ny Faritra Itasy mba hanatsara ny kalitaon’ny asa atolony. Marihina moa fa ny Cnaps koa dia orinasam-panjakana natao hisahana ny fanomezana fiahiana ara-tsosialin’ny mpiasa.

Nangon’i S.A

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre