Miantso fitoniana
Samy miantso fitoniana sy fifampidinihana na ny mpitondra na ny mpanohitra nefa tsy mety tonga amin’io tanjona iombonana io. Sarotra ve ilay mifanantona sy mifampiresaka sa ny hevitra mihitsy no tsy azo aravina intsony ka dia samy hijanona amin’ny lojikany hatrany vao hahita vahaolana ? Ny mpitondra Fanjakana sy ny antoko mpiara-dia aminy mantsy mitoroka ny mpanohitra sy ny mpanao fihetsiketsehana ho manao hetsika fanakorontanana hanozongozonana ny mpitondra. Tsy mifampiresaka akory ary tsy mihaona amin’ireo mpitokona raha tsy miafara amin’ny fifandonana sy ny fimenomenon’ny vahoaka ny raharaha. Tsy maintsy misy fandatsahan-dranomaso amin’ny alalan’ny grenady mamoaka entona simika ary fisamborana sy fampidirana am-ponja vao milamina ny raharaha eto amin’ny firenena. Ny mpanohitra kosa indray manondro ny mpitondra ho manao fihetsika jadona izay miantehitra amin’ny fandrarana olona tsy hanao hetsika sy fampiasan-kery amin’ny alalan’ny fanirahana mpitandro filaminana handrava ny hetsika rehetra. Mangataka ny famelana ny vahoaka haneho hevitra malalaka eny an-dalam-be ny mpanohitra mba hisian’ny filaminana eto amin’ny firenena.
Raha ny zava-misy anefa no jerena dia sarotra ho an’ny rehetra ny hahavita hifehy hetsi-bahoaka eto amin’ny firenena. Misy hatrany ny risika mety hivadihan’ny hetsika fanehoan-kevitra an-kalamanjana ho korontana sy fanimban-javatra ary fifandonana sy famonoana olona. Efa niaraha-nahita izany tamin’ny fiandohan’ireo krizy politika nifanesy teto. Ny taona 1991, 2002, ary 2009 dia tsy voafehin’ny mpitarika hatrany ny vahoaka ary maro ny fahasimban-javatra sy ny fatiolona. Tokony ho lesona ho an’ny mpitondra sy ny mpanao politika anefa ireny hetsika mahery vaika ireny satria mampiseho fa tsy mbola mahay maneho hevitra am-pilaminana ny malagasy. Tsy ny vahoaka akory no diso fa ny fitaizana sy torolalana no tsy ampy.
Tsy zatra mahazo fahafahana hiteny an-kalalahana ny vahoaka malagasy ka raha vao mahita hirika kely dia miafara amin’ny fanehoan-kery ny fidinana an-dalambe atao. Ny vahaolana izany dia ny fampianarana ny vahoaka hahay handray anjara amin’ny fivoriana an-kalamanjana nefa tsy misy korontana. Vahaolana iray amin’izany ny fanomezana toerana natokana ho an’ny fanehoan-kevitra fotsiny. Efa misy izao ny kianjan’ny demokrasia eo Ambohijatovo izay afaka mandray fanehoan-kevitra avy amin’ny vahoaka eny ifotony. Mila sokafana ho an’ny famoriam-bahoaka io toerana io dia ao no miteny izay tsy tantiny sy izay heveriny ho fanatsarana ny fitantanana ny firenena ny rehetra. Amin’izay fotoana izay ihany koa no hamantarana izay tena fomba fijerin’ny malagasy ny mpitondra amin’izao fotoana izao. Azo fehezina tsara ny fihoaram-pefy eo Ambohijatovo satria toerana mikatona io ka izay mitady hanakorontana ety ivelany no andraikitry ny mpitandro filaminana ny mandamina azy. Ny tena olana hatramin’izay mantsy dia tsy misy olona tafiditra mihitsy ireo mitady hanao hetsika eo Ambohijatovo fa sakanan’ny mpitandro filaminana ety ivelany. Tsy mahagaga raha ety ivelany no raikitra ny fifandonana satria tsy avela hiditra ao anatiny ny mpanao fihetsiketsehana. Raha tena matoky ny heriny sy ny fanohanan’ny vahoaka azy ny mpitondra dia tsy tokony hatahotra ny hetsiky ny mpanohitra izany. Tsy misy porofo mihitsy hatreto fa tena hahazo olona marobe ny mpanohitra raha homena alalana hanao hetsika malalaka. Raha toa ihany koa anefa ka be mpanohana ny mpanohitra dia izay izany no zava-misy. Anjaran’ny mpitondra ny miova famindra satria matoa tian’ny vahoaka ny mpanohitra dia misy tsy mandeha tsara izany ny fitantanana ny firenena ka mila harenina. Fehiny, mila mifampihaino sy mifampiresaka ny rehetra mba hahafahana mamondron-kery sy mampitovy hevitra hampandrosoana ny firenena. Mila mihaona sy mifampidinika ny mpitondra Fanjakana sy ny mpanao politika avy amin’ny mpanohitra. Mila manao famoriam-bahoaka eto an-drenivohitra ihany koa ny mpitondra hampitany mivantana izay tiany hambara ary hihainoany izay hetahetan’ny mponina. Toy izany ihany koa dia mila omena fahalalahana hihaona sy hidinika mivantana ary haneho hevitra an-kalamanjana miaraka amin’ny vahoaka ny mpanohitra.
Ravalo tsy Manana