Vous êtes ici :

Samedi 30 Novembre 2024

ombre

Karate – Tompondaka eran-tany – Tsy miraharaha ny atleta malagasy ny ministera

Tsy vao izao no misedra olana ara-bola ireo atleta na ekipa malagasy mba handeha hiaro ny vonihahi-pirenena any ivelany amin’ny alalan’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany. Matetika tokoa dia io resaka io hatrany no olana tsy mahatomombana ny lalao izay ataon’ny malagasy any ampitan-dranomasina. Raha tokony hilofo sy hanatanja-tena hiomana amin’ny fifaninana izay ataony ny atleta dia lasa indray mitsikaraka vola mba hitovizany amin’ny mpilalao hafa, na ny saran-dalana izany, na ny fitaovana eny fa hatramin’ny sakafo aza indraindray. Amin’izao fotoana izao dia misedra olana indray ny atleta Malagasy ary mbola resaka ara-bola ihany. Tsy iza izany fa i Andrianantenaina Amédé, mpanao karate ao amin’ny Cospn. Tompondaka lefitry ny Ranomasimbe Indianina taona 2016 natao tatsy amin’ny nosy Maorisy ny volana septambra teo izy ary efa tompondakan’i Madagasikara sy Analamanga im-betsaka ary izao voaantso handray anjara amin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany taona 2016 izay hotontosaina any Linz, Autriche ny 26 ka hatramin’ny 30 oktobra ho avy izao indray. Araka ny vaovao azo dia efa milamina ny pasipaoro sy ny resaka « Visa » fa ny tapakilan’ny fiaramanidina handehanana no mbola tena olana hatreto ary manginy fotsiny ny fitaovana Wkf hampiasaina mandritra ny fifaninanana. Raha ny volaza hatrany dia efa nandalo tao amin’ny ministeran’ny tanora sy fanatanjahantena ihany izy saingy tsy nahavaha ny olana izany. Noho izany dia mangataka ny fahatsoram-pon’ny malala-tanana sy mpiray tanindrazana mba hanampy azy amin’ny fitondrana avo ny voninahi-pirenena. Ny fotoana rahateo koa efa antomotra. Nanome laharan-tarobia noho izany izy mba hahafahana manampy azy na koa handefasana vola : 034 09 620 54.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre