Vous êtes ici :

Samedi 30 Novembre 2024

ombre

Fihinanana henan-tsokatra – Ankizy 4 maty

Anisan’ny biby voaaro ny soka-dranomasina ka tokony tsy ho azo jonoina, mety hampidi-doza koa anefa ny fihinanana ny henany noho ny fisian’ireo hazandrano voapoizina ka mampidi-doza ho an’ny olombelona. Nisambotra maromaro anefa ny mpanjono Mahambo, tany Fenoarivo Atsinanana ka namidiny mora dia mora teny an-tsena izany ny alakamisy lasa teo. Nifandrombahan’ny olona àry ity hena hafa kely ity satria dia malaza matsiro tokoa. Ny ampitson’io andro io ihany anefa dia olona maro no narary vokatry ny fihinanana azy, ary nisy tamin’ireo ny renim-pianakaviana mbola mampinono. Vokatr’izany dia zaza 5 latsaka ny 2 taona no voapoizina avy amin’ny nonon-dreniny ka maty ny 4 tamin’izy ireo, ny iray kosa avotra soa aman-tsara. Maro koa ireo mbola manohy fitsaboana any amin’ny hopitaly.

Ny Tsiky R.

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre