Lalam-pirenena 11-A – Mirongatra ny doro tanety
Mihitatra hatrany ny doro tanety manamorona ny lalam-pirenena 11-A mihazo ny distrikan’i Mahanoro miainga ao Antsampanana mankany Vatomandry iny amin’izao fotoana izao. Vanim-potoana izay tena mampirongatra ny doro tanety tokoa noho ny andro mafana loatra. Ripaky ny afo ny velaran-tany maro ka ny hazo ravinala sy ireo karazan-kazo maro samihafa dia samy potika sy maina avokoa. Araka ny fantatra dia ny voly vary an-tanety no mahatonga ny olona sasany manao ny tevy ala. Ankoatry ny fahapotehan’ny ala, dia misy amin’ireny biby miaina ao anaty ala ireny no maty atelin’ny afo, ao kosa ireo mitsoaka mandositra. Hatreto anefa, tsy mbola nandrenesana feo ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny indrindra ny misahana ny tontolo iainana fa raha mitohy ny doro tanety dia ho foana araka ny fitenenana ny alan’atsinanana.
ZOUZOUH Toamasina

Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40
Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana
Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky. Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny