Kitra CAn latsaky ny 17 taona – “Mila vokatra ny vahoaka malagasy”
Tafatsangana ny Cocan ary i Ahmad no lany ho filohan’izany rafitra mpikarakara ny Can U17 izany. Dimy volana eo sisa dia handray ny amboaran’ny Afrika latsaky ny 17 taona na ny Can U17 amin’ny taranja baolina kitra i Madagasikara. Izay kasaina hatao eto Antananarivo ny vola febroary 2017. Fanapahana Minisiterialy(décret¬ 2016-556 tamin’ny 20 mey 2016) no nametraka ny Cocan, tarihan’ny filohany Ahmad, filohan’ny Federasiona malagasy ny baolina Kitra(Fmf). Niatrika ny fivoriana voalohany ireo komity mpikarakara (Cocan) omaly teny amin’ny Academi National de Sport (Ans) Ampefiloha. Tao aorianan’ny Fampahafantarana ireo mpikambana ao anatin’ny Cocan dia niatrika asa avy hatrany izy ireo satria dia fohy tokoa ny 5 volana hikarakarana ny fandraisana izany fifaninana goavana hoan’ny tanora izany. Voalohany dia nisaotra ny fitondram-panjakana ny filohan’ny Cocan nanaiky ny fandraisana io fifaninanana io. Sambany tamin’ny tantara no nandray Can tamin’ny sokajy iray izany i Madagasikara raha efa samy nandray izany avokoa ny Nosy rahavavy. Marihina moa fa dia ny minisitry ny Tanora sy ny fanantanjahatena , ny dokotera Jean Anicet Andrimosarisoa no solontenam-panjakana niatrika ny lanonana fampahafantarana ireo mpikambana ao anatin’ny Cocan ity. Ka tamin’izany indrindra no nitsofany rano azy ireo mba hahatontosa ny andraikitra sahaniny tsirairay avy. Ary no tsindriany ihany koa fa miandrandra vokatra ny vahoaka malagasy. Ary dia nanamafy ihany koa ny ministra fa efa Vonona ny teti-mbola handraisana izany raha toa kosa ka nangataka fanampiana tamin’ny fanjakana ny filohan’ny Cocan.
Ireto avy ireo mpikambana mandrafitra ny Cocan : Andriamatoa Ahmad no Filoha ; Mpandrindra ankapobeny : Arizaka Rabekoto Raoul. Ireto kosa no mandrafitra ny Departemanta : Fitantanam-bola sy ny fikarakarana tapakila : Andriamanga Herivelo “Protocole/accreditation/bénévoles” izay sady solontenan’ny Mae Departemanta fitanterana dia i Rabarisoa Jean Olivier ; ao amin’ny fanaraha-maso ny fananana iombonana sy ny fotodrafitrasa : Rabarison Tony sy Raobijaona Bruno. Rakotoniaina Yves Maurice no ao amin’ny fampian-tranoana ary Andriamalazaony Aurélien no Fiarovana. Farany, Rabe Nathalie no serasera sy ny hainoamanjery, ary Rakotoarimanga Eric Luciano kosa no miandraikitra ny Marketing. Misahana ny fitsaboana i Dr Rakotoarimino Désiré ary ny fandraharahana dia i Reboza Cyrille. Mamarana azy dia Andriamiasasoa Doda izay mitantana ny teknika sy fifaninanana.