Analavory – Toaka gasy 800 litatra saron’ny zandary
Anisan’ny voasokajy ao anatin’ny faritra ambanivohitra ihany raha ny faritra Itasy satria mbola mivelona tanteraka amin’ny fiompiana sy fambolena ny mponina any. Ny fambolena vary no tena mampalaza iny faritra iny ary anisan’ny mpamokatra vary be indrindra eto Madagasikara izy. Eo koa anefa ny fambolena fary, fa noho ny tsy fisian’ny orinasa afaka manodina izany ho lasa siramamy sy ny tinady ambany dia ambany amin’ny filàna azy dia matetika avadikin’ny olona ho alikaola izany izay fantatra amin’ny anarana hoe : “toaka gasy”. Voararan’ny lalàna anefa ny fanamboarana sy famarotana azy io noho ny tsy fahafehezana ny fanamboarana azy izay mety hitarika olana maro ho an’ny fahasalamana. Ny talata lasa teo anefa dia kamiao mercedes benz iray nitondra toaka gasy efa ho 800 litatra mahery no saron’ny zandary tamin’ny lalana mampitohy an’Analavory sy Ambositra. Naparitaka tamina zerikanina 20 litatra niisa 40 izy io ary nezahina nafenina tao anaty gony. Nizotra ny lalana mamakivaky ny ala tapia ity kamiao ity no sendra voasakan’ny polisy manao fisavana, tonga dia ren’ireo polisy anefa ny fofona aterak’ireo toaka marobe ka nojerena ny tao anatiny. Nahatratrarana tavoahangy lehibe roa hafa koa tao amin’ny toeran’ilay mpamily sy ny mpanampy azy. Noentina avy hatrany tany Analavory tao amin’ny tobin’ny zandary ity fiara ity ary notanana tao ihany koa ilay mpamily sy ilay niaraka taminy. Ny tena mampametra-panontaniana dia hoe inona no antony mety ilana ity toaka gasy be dia be ity. Ny fantatra aloha hatreto dia hoe efa nisy olona vonona handray izany tany Ambositra. Efa voara-maso akaiky mantsy amin’izao ny fanamboarana ity zava-pisotro ity raha ny any Ambositra ka mety izay no mahatonga azy hafarana avy lavitra mihitsy.
Ny Tsiky R.