Hetra – Ampandoavina hatramin’ny alika
Dia efa tsy hita intsony izay hangalana ny volam-bahoaka. Raha lany mandritra ny fivoriana ara-potoana ataon’ireo depiote ankehitriny ny lalàna mifehy ny fitantanam-bola 2017 dia handoavam-bola indray koa ny fananana alika na biby hafa izay fitaiza ao an-tokantrano. Inona moa izany ny antony tokony handoavana izany ? Raha resaka fahadiovana, matetika ireny alika mirenireny ireny no tena manao maloto eny an-dalana fa tsy ireo manan-tompo, sa fahasalamana ve, efa ny tompony ihany koa no mikarakara ny fanaovana vakisiny azy ireny fa tsy ny fanjakana velively. Tsy any amin’ny fanazarana azy ireny hanaja baiko ihany koa anefa. Hiteraka fandaniana betsaka ho an’ny fanjakana anefa ny mbola hijery sy hitady tsirairay ireo olona manana biby. Ary ankoatry ny vola ho lanin’ireo mpandoa hetra dia eo andaniny koa ny fahasahiranana haterak’izany amin’ny fotoana. Mimenomenona ireo mpitaiza biby ankehitriny noho ity lalàna vaovao ity.
Ny Tsiky R.