Fomba fiasa mitavozavoza
Mbola adihevitra eny anivon’ny fiarahamonina hatramin’izao ilay raharaha nandorana vehivavy voalaza fa nanota fady tany Mananjary. Raha tsiahiviana dia voalaza fa nanipazan’ny ramatoa iray henan-kisoa tao amin’ny valamaty izay toerana masina sy fady kisoa. Nampitroatra ny mponina io fihetsika voasokajy ho faniratsirana io ka niteraka fisamborana niampy fitsaram-bahoaka. Andro vitsy taorian’izay anefa dia may ny tanàna iray teny amin’ny manodidina ary misy milaza indray fa kapoka avy amin’ny mpahary noho ilay vono olona natao io tranga io. Samy manana ny finoany ny tsirairay saingy hita kosa fa ny tsy fifanajana sy ny fifandranitana no mahatonga ireo loza roa nifanesy ireo. Loza ho an’izay nihavian’ny fanafintohinana hoy ny fiteny saingy tsy azo hadinoina ihany koa fa tany tan-dalana i Madagasikara. Misy rafi-panjakana mazava natao hampihatra ny lalàna eto ary ny fitsaram-bahoaka sy ny fanimbana fananan’olona dia voarara sy mahavoasazy. Nahagaga tamin’ity tranga tany Mananjary iny ny fitarozohan’ny fandraisan’andraikitry ny mpitandro filaminana. Efa tafiakatra amin’ny faratampony ny marim-panan’ny hatezeram-bahoaka nefa mbola nilaozan’ny tompon’andraiki-panjakana nivory fa tsy nanao ny fomba rehetra hanavotana ilay ramatoa. Tsy mahagaga raha matin’ny olona izy satria ao anatin’ny hatezerana tsy misy hiandry izay fanapahan-kevitry ny tompon’andraiki-panjakana izany. Io fitarazohan’ny fandraisana andraikitra io hatrany anefa no tena mampiroborobo ny asa ratsy amin’ny endriny rehetra eto Madagasikara. Efa halohalika foana ny ranom-bary ary efa mitranga ny loza amin’atambo vao mandray andraikitra ny Fanjakana. Endrika iray fotsiny iny tany Mananjary iny fa saika manerana ny Nosy dia lany andro amin’ny fivoriana fikatsaham-bahaolana ny mpitondra nefa ny vahoaka miha mahantra andro aman’alina. Tany amin’ny faritra atsimo ohatra dia efa hatramin’ny taona vitsivitsy no fantatra fa tsy maintsy hisy mosary. Efa betsaka tamin’ny 2015 ny maty sy mihinana ny tsy fihinana ara-bakiteny vao mody nandray andraikitra ny mpitondra. Tsy inona io fandraisana andraikitra io fa fihaonam-be tany atsimo nandinihana ny vahaolana maharitra. Izany hoe mbola fivoriana no nalefa aloha fa tsy ny fanampiana. Hatramin’izao tsy hita mazava izay tena fanatanterahana sy vokatra azo tamin’io fikatsaham-bahaolana io. Ny ranomason’ny minisitry ny mponina fotsiny no nipatrapatraka saingy tsy nahavonto nanondraka ny tany sy nitondra fampandrosoana akory izany.
Be loatra ny fivoriana sy dinik’asa atao eto amintsika ary mandany andro fotsiny izany. Asa avy hatrany no ilain’ny vahoaka ary tsy mila hifampierana amin’ireo lazaina ho mpiara-miombon’antoka sy mpisehatra izany fa tonga dia atomboka mba hahatozoana vokatra haingana. Milaza hoe efa manana ny politikam-pampandrosoana (Pnd) mantsy ny fanjakana koa maninona tsy tonga dia iny fotsiny no tanterahina. Miandry loza mitranga foana vao mihetsika. Porofon’izany ny asan-dahalo amin’ny faritra rehetra. Efa am-polony sy anjatony ny fatiolona vao manao hetsika ny mpitondra. Toy izany ihany koa ny sehatra maro toy ny asam-panjakana sy ny delestazy ary ny fitrandrahana. Efa misy hatrany ny hetsika mahery vaika avy amin’ny vahoaka vao miditra an-tsehatra mitondra vahaolana ny mpitondra. Mahagaga fa rehefa doran’ny olona ny biraon’ny Jirama dia mahita gropy ihany ny mpitondra. Rehefa mandrahona hampiakatra saran-dalana ny mpitatitra dia mahavita mampihena ny vidin-tsolika ry zareo. Rehefa dinihina izany dia afaka miasa sy mahavita vahaolana haingana ihany ity fitondram-panjakana ity rehefa teren’ny hatezeram-bahoaka. Dia tsy maintsy hiditra amin’ny lojikan’ny herisetra sy ny fifandonana foana kosa ve izany ny vahoaka vao mba hahazo izay takiany ?
Ravalo tsy Manana