Vous êtes ici :

Mardi 26 Novembre 2024

ombre

Sambava – Zaza roa volana navelan-dreniny

Zaza vao roa volana nahaterahana no voatery navelan-dreniny irery tany Sambava tamin’iny herinandro iny. Tsy fidiny ho an-dreniny anefa no nanao izany satria izy mbola nanaraka fitsaboana tany amin’ny hopitaly no nisy nilaza fa mampirafy azy ny vadiny. Raha izy lalan’ny hody iny dia nifanena tamin’ity vadiny ity ary nanontany azy ny fahamarinan’izay zavatra notenenin’olona azy. Niakatra nefa rangahy ka izy indray no nidaroka an’ilay vehivavy vao tera-bao. Tsy nisy nanasaraka azy ireo ny olona nanatri-maso ka tena vaky rà tanteraka ilay ramatoa vao namelan-drangahy. Noho ny tsindrona vao natao taminy anefa dia tsy nijanona mihitsy ny rà nivoaka ny vatany ka vao mainka izy narary mafy ary niady tamin’ny fahafatesana mihitsy aza. Nitsoaka ity vehivavy ity ka efa dimy andro izay izy tsy nody ary namela ny zanany mbola minono tao an-tranony. Nanantona ny tobin’ny zandary izy omaly ary ireo no nanatitra azy tany an-tranony sy nikarakara azy ary nisambotra an-drangahy. Salama ihany ilay zaza na dia hita fa nihena sy reraka tokoa aza.

Ny Tsiky R.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre