Vous êtes ici :

Mardi 26 Novembre 2024

ombre

Ambohidratrimo – Nitsoaka ilay fiara nahafaty mpandeha bisikileta

Ankehitriny dia tsy mitsaha-mitombo ny lozam-pifamoivoizana na eto an-drenivohitra izany na eny amin’ireny lalam-pirenena ireny. Matetika dia ny tsy fitandremana na hamamoana diso tafahoatra no mahatonga azy ireny. Tsy adino ihany koa anefa ny olana ara-teknika izay tsy azo tsinontsiniavina mihitsy. Tsy vitsy amin’ireo fiara na kodiaran-droa mantsy no tapaka hisatra fijanonana tampoka na vaky kodiarana ka mivadika na mandona olona tsy fidiny. Maro amin’ireo niharan-doza anefa no tsy mijanona akory eo amin’ny toerana nisehoan’izany fa dia mandray fitsoahana noho ny fahatahorana sazy na fitsaram-bahoaka. Toa izany indrindra ity tranga niseho ny alakamisy lasa teo tany amin’iny distrika Ambohidratrimo iny, teny amin’ny lalana mivoaka ho ho any Ambohitrimanjaka avy eo Ambohibao atao hoe Andramiarana. Ao amin’ny fokontany Andranoro, kaominina ambanivohitra Antehiroka. Tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany alina teo no nitranga ity loza ity. Fiara tsy fantatra laharana no nandona olona nitondra bisikileta. Araka ny vaovao azo dia azo lazaina ho nandeha tamin’ny sisiny ihany ilay rangahy saingy mbola voadona mafy ihany. Nandeha mafy dia mafy tokoa mantsy ity fiara ary mety ho mamo tampona mihitsy aza. Alohan’ny hidirana fiolanana mantsy no voadona ity rangahy ka tsy nahatana familiana intsony ilay nitondra fiara. Voadona mafy teo amin’ny faritry ny tratra izy ka tsy tana ny ainy fa avy dia maty teo noho eo. Ilay bisikileta sy ny entan’ilay rangahy aza moa dia potipotika sy nifangaro tamin’ny rà teo ampovoan-dalana teo avokoa. Noho ny tsy fisian’ny olona teny amin’ny manodidina tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza dia tsy fantatra hatramin’izao ilay fiara sy ny laharany. Nampandrenesina avy hatrany ireo « unités » n’ny zandary manodidina mba hanao fikaroham-baovao hikarohana io fiara nahavanon-doza io. Rehefa nahavita ny anjara asany ny mpitandro filaminana dia nomena ny fianakaviany ny razana.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre