Ambalatenona-Toamasina – Mitentina 15 000 000Ariary ny entana may tao amin’ny tokantrano iray
Maro izay haintrano nitranga teto Madagasikara izay, tamin’ity taona 2016 ity. Saika naharenesana izany loza izany avokoa manerana ny lafivalon’ny nosy raha tsy hilaza afa-tsy izay nitranga tany Mananjary sy tany Toamasina tamin‘ity herinandro ity isika. Raha tsiahivina, ny alin’ny alatsinainy 31 oktobra hifoha talata 01 novambra lasa teo dia trano an-jatony no may kilan’ny afo tao Andovosira, Mananjary. Olona an’arivony no tsy manan-kialofana vokatr’izany fahamaizana izany. Nisehoana haintrano mahatsiravina ihany koa tany Ambalatenona, fokontany Antanandrano, kaominina ambonivohitra Toamasiana ny alakamisy 03 novambra lasa teo tamin’ny 3 ora maraina. Araka ny vaovao avy any an-toerana tamin’ny alalan’ny fanazavan-dRakotonandrasana Julien, izay tompon’ny trano may dia tsy fantatra izay tena nahatonga ny afo fa tsikaritr’izy ireo fa avy any ivelany no niandohan’ny fahamaizana. Satria tao an-trano avokoa izy ireo tamin’ny fotoana namahay ity tranon’izy mianakavy ity. Nohamafisiny hatrany fa tsy nisy afo na zavatra hafa ka niteraka ny fahamaizana tao anatin’ny trano tamin’io fotoana io. Vokatr’izao loza tampoka izao anefa dia tsy nisy noraisina ny entana fa levon’ny afo tao anatin’ny ora vitsy avokoa satria dia mahatratra hatrany amin’ny 15 000 000 Ariary eo ho eo ny tombam-bidin’ny zavatra rehetra may tao. Soa ihany fa tsy nisy ny aina nafoy tamin’izao haintrano izao fa olona enina kosa no traboina. Hafahafa ihany ny fipetraky ny afo ka ny manam-pahefana avy ao Antanandava no manao ny famotorana mba hahalalana ny tena marina amin’izao voina nihatra tamin’ny fianakaviana iray any Toamasina izao. Omaly, araka ny vaovao avy any amin’ny faritra Antsinanana izay ihany dia efa misy faritra hafa indray efa aharenesana haintrano ka maromaro indray no levon’ny afo tamin’izany.