Itaosy – Betsaka ny sekoly voatafika
Tsy kely lalana tokoa ny ratsy. Betsaka ny biraon-tsekoly vaky eny amin’iny faritra hôpitaly Itaosy Antananarivo Atsimondrano sy ny manodidina iny tTato ho ato. Ny alakamisy lasa teo dia teny amin’ny sekoly tsy miankina iray eny Amboatavo Itaosy no nisy nanafika ka nanjavona tao anatin’ny indray mipi-maso ny solosaina sy ny “video projecteur” iray tao amin’ny biraon’ny talen’ilay sekoly. Marihina fa ao ambony rihan’ny toeram-piaana ihany no trano fonen’ilay tale ka tao anaty minitra vitsy sendra niakarana tao an-tranony no nanararaotra ireo mpanao ratsy niditra tao anaty birao izay tsy nihidy. Izany dia efa fomba mahazatra azy hatramin’izay efatra taona nitatantany ny sekoly izay ny manao toy izany raha ny fanazavany. “ Dimy amby roapolo taona izay ny sekoly ary efatra taona teo ho eo no nitantanako azy. Hatramin’izay dia tsy mbola nisy ny trangan-javatra toy izao. Sendra niakatra tao ambony aho mba hanao tsako-vazana kely no nanararaotra niditra tao amibn’ny biraoko ireo jiolahy. Marihina fa ny birao ny mpanara-maso na ny “surveillant” dia mifanila vodirindrina eo ihany fa tsy nahatsikaritra na inona na inona ity farany”. Tsindrina ihany koa fa ny paika hoentin’ireo mpanao ratsy hidirana ao amin’ny sekoly dia toy ireo mpanatitra mpianatra ka mandeha milahatra eny amin’ny birao toy ireny handoa saram-pianarana ireny. Ka amin’izany izy ireo no miandry ny fotoana malalaka sy mangingina hanaovany ny asa ratsiny. Tsy nisy hanatsikaritra ihany koa na dia ireo mpampianatra nampianatra aza satria dia nandritra ny ora fianarana no nahaverezan’ireo entana ireo. Raha ny tombatomban’ny rehetra dia mpiasa tao ihany no nangalatra satria raha olona avy any ivelany dia tsy maintsy nisy nahita ny nivoahan’izy ireo ny vavahady. Olona efa mpandeha ao ano mahalala fa azo andehandehanana hatrany ambadiky ny sekoly ka mety tany no natsipy ireo fitaovana nangalarina. Andro vitsy taorian’io koa anefa dia nisy sekoly hafa teny Antsararay nidirin’ny olon-dratsy ankeriny ka nofehezin’izy ireo mihitsy ny talen-tsekoly sy ny mpiara-miasa aminy izay tratran’izy ireo tao amin’ny birao. Nalainy avokoa izay azo nalaina rehetra hatramin’ny vola saram-pianarana tratran’ireo olon-dratsy tao.
Safidy Andrianina