Vous êtes ici :

Mercredi 23 Avril 2025

ombre

Maroantsetra – Notereny hamono tena miaraka aminy ilay zanany

Raha ny famonoan-tena no asiana resaka dia saika ho efa isan’andro no aharenesana izany. Rehefa tsy vokatry ny adin’ny mpifankatia miady mantsy no mahatonga azy io dia matetika ny tsy fahazakana fiainana fotsiny izao. Mihamafy ary efa mila tsy ho zaka intsony tokoa ny onjam-piainana amin’izao ka ireo tsy mahazaka dia na lasa adala na mamono tena. Toy izany indrindra ity tranga niseho ny zoma lasa teo tany amin’iny faritra Maroantsetra tao amin’ny tanàna iray antsoina hoe Anandrivola ao amin’ny fokontany Aniribe raim-pianakaviana iray mantsy no nanery ny zanany vavy hamono tena niaraka taminy. Raha ny voalazan’ny manodidina dia efa maty vady ity lehilahy ity ary zanak’ilay ramatoa vadiny tamin’ny olon-kafa io zaza io  fa ikambanan’izy ireo. Voalaza mantsy fa hoe rehefa maty ilay vadiny dia ilay zanany indray no namborahany fitiavana. Nandritra ny fotoana maro anefa dia tsy nanaiky mihitsy ilay zazavavy ka nahatonga an-drangahy nampiasa hery sy fikasihan-tanana mihitsy.

 

Araka ny vaovao azo hatrany dia noroahany tao an-tokantrano mihitsy ilay zanany ary ilany vaniny foana tamin’izay rehetra nataony. Tsy mahita tany haleha anefa dia tsy maintsy nijanona tao ihany ilay zazavavy 18 taona. Ny farany ary moa dia nanaiky niaraka tamin’ilay dadakeliny ihany izy. Tsy niandry ela anefa rangahy dia efa niroso tamin’ny fangatahana firaisana ara-nofo. Tsy nankasitrahan’ilay vehivavy mihitsy izany ka nitarika fanolanana mihitsy taty aoriana. Indroa voaolana tao anatin’ny herinandro ilay zazavavy ka nandeha niteny tany amin’ny lehiben’ny fokontany. Ity farany kosa no nandeha nampandre ny manam-pahefana. Tsy hay anefa hoe tamin’ny fomba ahoana no nahatonga ilay resaka tany ampototsofin’ilay raim-pianakaviana fa hany vao tonga tao an-trano ilay vehivavy dia efa asidra no hitany tao. Notereny hamono tena miaraka aminy ilay vehivavy. Soa ihany moa fa tafaporitsaka ity farany fa ilay rangahy no tra-tehaka tao an-tranony. Tsy nisy noho izany ny naratra na ny namoy ny ainy fa ilay rangahy kosa dia nentina avy hatrany any amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre