Vous êtes ici :

Dimanche 13 Avril 2025

ombre

Vavatenina – Haintrano mahatsiravina, 1508 traboina

Nisesisesy ny haintrano tamin’io herinandro lasa io. Raha ny vaovao azo avy any Vavatenina dia niainga avy tamin’ny fivarotana sinoa iray ny afo. Noho ny fisian’ny solika tao amin’ity fivarotana ity no nampiakatra vetivety ilay afo ary nahatonga azy niparitaka tamin’ireo trano rehetra manodidina. Tamin’ny 2 ora tolakandro no voalaza fa nanomboka nirehitra ny afo ary tamin’ny 5 ora hariva izany vao maty tanteraka ka nahatonga fahasimbana maro dia maro tokoa. Ireto no atontan’isa vokatr’io haintrano goavana io : Olona 1508 no traboina ary nalefa vonjimaika any amin’ny espace Shamur, ny Ekar ary ny lapan’ny kolontsaina izy ireo. Trano miisa 307 no may tsy misy azo raisina intsony, sekoly ny iray tamin’ireo, 2 kosa ny trano fandraisam-bahiny ary 7 ny trano fivarotana. Moto 1 sy fiara 1 fananan’ny ben’ny tanàn’i Vavatenina ihany koa no may tamin’io loza io. Marihina fa anisan’ireo may ihany koa ny tranon’ity ben’ny tanàna ity. Efa maro ny fanampiana tonga any an-toerana ankehitriny izay avy amin’ny fitondram-panjakana, Ong vitsivitsy ary olon-tsotra tsara sitrapo. Vary 80 gony, voamaina 30 gony, tafo fanitso 125 takelaka, vilany 80, kojakoja an-dakozia maro ary fanafody 2 baoritra no azon’ireo niharam-boina hatreto, mbola antenaina nefa ny hahatongavan’ny fanampiana hafa. Tapaka ihany koa ny jiro any an-toerana ankehitriny noho ny fahamaizan’ny tarobia mpitondra herinaratra maro nandritra ilay haintrano, efa nandefa teknisianina ny Jirama mba hamerina izany haingana amin’ny laoniny, hitandroana ihany koa ny fandriam-pahalemana any an-toerana. Raha ny vaovao farany azo dia tsy nisy ny olona namoy ny ainy na koa ny naratra nandritr’ity voina ity.

 

Ny Tsiky R.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre