Vous êtes ici :

Lundi 07 Avril 2025

ombre

Ankadivoribe – Razana 66 no indray tsy hita !

Ny alatsinainy 31 oktobra lasa teo, vao hitan’ny tompony fa vaky ny fasan-drazan’izy ireo. Tany amin’ny tanàna antsoina hoe Ambohimamory, fokontany Antalata ao amin’ny kaominina ambanivohitra Ankadivoribe no nisehoan’ity vaky fasana iray ity ka nahatratra 66 be izao ny razana very tamin’izany. Tankina tanteraka ny rehetra nahare izany vaovao ratsy izany ary dia misokatra ankehitriny ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha izay azo lazaina fa goavana ity satria raha ny isan’ireo razana nisy nangalatra ireo dia inoana marimarina fa hatramin’ireo razambe tamin’ny fahagolan-tany no lasan’ireo tsy mataho-tody.

Fa ankoatra izany dia raharaha mbola tena manahirana eto amintsika ihany koa ny resaka vaky fasana ary saika manerana ny nosy mihitsy no ahitana izany saingy ny aty afovoan-tany no tena mirongatra tokoa izy ity. Ireo distrika rehetra amin’ny faritra Analamanga, Itasy, Bongolava, Vakinankaratra, Amoron’i Mania ary iny Matsiatra Ambony iny dia ahitana izany vaky fasana izany daholo ary saika ho isan’andro dia mitatitra ny mikasika ity asa ratsy ity ny haino aman-jery sy ny gazety an-tsoratra rehetra. Ny mahagaga ihany koa dia tsy ireo any amin’ny toerana azo lazaina fa ambanivohitra ihany no misy mamaky ny fasana fa hatramin’ireo anaty sy akaiky tanàn-dehibe ihany koa toy ireo kaominina manodidina an’Antananarivo dia lasibatra daholo. Raha ny eto an-drenivohitra, ohatra, dia ahitana izany ny fokontany maro toy ny eny Anjanahary, izay misy ny fasam-bahiny, na ihany koa ny eny Ambohimanarina sy ny toerana maro amin’iny boriborintany fahenina iny, ny eny Ambatobe, ny eny Analamahitsy, sy ny sisa tsy voatanisa. Etsy andanin’izany ihany koa, hatreto aloha dia mbola tsy fantatra mazava izay ampiasana ireny taolam-paty maina ireny satria matetika tsy kitihan’ireo mpamaky fasana ny razana lena. Ny zava-misy ihany koa dia mivarahontsana ary vontom-pahoriana fanindroany indray ny fianakaviana voakasik’izany satria dia tena very mandrakizay tokoa ny taolambalon’ireo havan-tiana. Tena izany tokoa ny zava-misy sady tsy ho hay rahateo intsony ny manavaka ireo razana raha toa ka ho hita indray izany taolambalo izany. Ary raha toa ka ny hahitana ireo taolana ireo no antenaina dia kely dia kely ihany ny finoan’ny maro satria ny ankamaroan’ny raharaha vaky fasana dia voavahan’ny mpitandro filaminana manao ny fanadihadiana avokoa.

Razeantsikivy

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre