Potehina Antananarivo
Nipoitra tampoka indray ny disadisa mahakasika ny fomba fitantanana ny toeram-piantsonan’ny fiarakodia eto an-drenivohitra. Nanaitra ny maro tamin’iny faran’ny herinandro iny ny disadisa misy eo amin’ny orinasa Easy Park sy ny fiangonana Fjkm Tranovato Ambatonakanga. Araka ny voalaza dia nofaritan’ny Easy Park ary nomeny hotely tantanin’ny vahiny eny amin’ny manodidina an’Ambatonakanga iny ny toeram-piantsonana izay efa an’ny fiangonana nandritra ny 150 taona niorenany. Ireo hotely anefa vao haingana no niorina ary ny Easy Park ihany koa tsy mbola nisy herintaona akory no niasa. Tafintohina amin’io tranga io ny mpivavaka sy ny mponina eto an-drenivohitra satria tsy vao izao no nisy toy izany. Efa lasibatra avokoa mantsy ny mponina amin’ny fokontany eo afovoan-tanàna toy ny eny Ambondrona, Behoririka, Ankadifotsy, Antsahavola, Antanimena, Ambohijatovo,… Faritan’ny Easy Park ny sisin-dalana sy ny toeram-piantsonana efa nampiasain’ny tompon-tanàna an-jato taonany dia lazainy fa handoavam-bola. Tsy manaiky izany ny mponina mazava ho azy satria Antananarivo renivohitra dia an’ny vahoakan’Antananarivo fa tsy an’ny orinasa tsy miankina. Ny tena olana amin’ity raharaha ity dia lasa ny orinasa Easy Park sy ny vahoaka no mifandona matetika nefa fomba fitantanana avy eo anivon’ny kaominina mihitsy no mahatonga izany savorovoro rehetra izany. Ny kaominina no nanome alalana ny Easy Park hamariparitra sy hitaky vola amin’ny sisin-dalana. Matoa io orinasa io manao izany asa izany dia ara-dalàna ny zavatra ataony. Ilay nanome ny fahazoan-dalana izany no diso raha toa ka misy ny tsy fitovian-kevitra amin’ny vahoaka sy ny Easy Park. Tamin’ny voalohany dia nolazaina fa vola Ar 500 isan’ora no aloa amin’ny fiantsonana iray. Nambara ihany koa fa tsy hisy intsony ny famandrihana maharitra fa izay tonga aloha tompon-toerana. Ankehitriny anefa dia hita fa manomboka omena ambongadiny ho an’ireo mpandraharaha vahiny ny toeram-piantsonana. Marobe no hita eny an-dalana eny fa efa misy takela-by mibahana ary misy soratra hoe fahazoan-dalana manokana nomen’ny kaominina. Tranga iray maneho izany ny eny Ambatonakanga. Nobahanan’ny mpiambina ireo hotely mantsy ilay toeram-piantsonana fa lazainy fa efa nofain’ny mpampiasa azy tamin’ny Easy Park.
Tranga iray ity resaka fiantsonan’ny fiara ity fa maro ny zavatra tsy mandeha amin’izay laoniny amin’ny fitantanana ny renivohitra. Tsy hita izay tena asa fampandrosoana fa toa ny sazy sy ramatahora ary ny fampitandremana sy fanambaniana vahoaka no betsaka. Raofin’ny kaominina tsy misy fampilazana ny fiaran’olona mijanona eny an-dalana. Eny Ampandrana sy Antaninandro eny dia variana ny mponina satria misy fiara am-polony mitandahatra mijanona eo amin’ny sisin-dalana dia iray ihany no batain’ny etsy babeko ary tsy fantatra izay anton’izany. Ny hafa tsy voakitika nefa dia samy eo ihany ary tsy misy takela-by mandrara fa tsy azo hijanonana eo. Roahin’ny kaominina sy arodana ihany kao ireo trano kely fanaovana “taxiphone” sy varotra hani-masaka amin’ny faritra maro, misy anefa tsy voakitika. Toy izany ihany koa ny mpivarotra amoron-dalana izay atao haza lambo nefa misy ampahany tsy miala fa eny Analakely eny ihany. Firifiry ny trano sy toeram-pivarotana tsy ara-dalàna miorina eto nefa vitsy ihany ireo noterena hakatona sy mety harodana. Olon’ny fo ny malagasy ary tsy mahatanty ny tsindry hazolena atao amin’ny madinika toy izany. Ekena fa tena ilaina ny fanadiovana saingy ilaina kosa ny mangarahara sy ny tsy fijerena tavan’olona fa ampiharina amin’ny rehetra ny lalàna rehefa hampiharina ihany. Ankoatra izany anefa dia tsy hita izay tena asa fampandrosoana vitan’ny kaominina Antananarivo renivohitra hatramin’izao. Na toeram-pianarana iray aza tsy naorina, tsy fantatra hoe aiza avy ny toeram-pitsaboana natsangana. Izany anefa no fotodrafitrasa ilain’ny sosialim-bahoaka ka hahafahana mamaritra ny tena asa fampandrosoana. Tsy misy ihany koa ny mangarahara mahakasika ny fitantanana ary manalavitra ny vahoaka ny mpitondra ao amin’ny kaominina. Na in-dray aza tsy mbola nisy ny fiantsoana fivoriam-pokontany tamin’ity taona ity. Izany anefa no fomba mahomby indrindra hahafahana mampita ny fomba fiasa sy fomba fitantanan’ny kaominina amin’ny vahoaka ifotony ary hitantaran’ny mponina mivantana amin’ny tompon’andraikitra izay maharary azy sy ny zavatra ilainy.
Ravalo tsy Manana