Ody gasy – Arovana mafy ireo “Albinos”
Tadiavin’ireo malaso fatratra ireo olona “Albinos” na bobo hoy ny eto afovoantany na Varira hoy ny any Atsimo. Ka dia ambenana fatratra ny ain’izy ireo any amin’iny faritra Atsimo iny. Vao tsy ela akory izay dia vehivavy bobo iray no nalain’ireo olon-dratsy an-keriny tany amin’ny kaominina ambanivolon’i Bezaha distrikan’i Betioky Atsimo ka tratran’ny fokonolona. Raikitra ny fitsongoana dia tamin’izany. Tsy hitan’ireo malaso izay atao ka novonoin’izy ireo tamin’ny fomba feno habibiana ilay vehivavy ka dia navelan’izy ireo teo afovon-dalana ho hitan’ny fokonolona ny fatiny. Tsy fantatra mazava izay antony itadiavan’ireo olon-dratsy ny karazan’olona voasokajy ho “albinos” fa rehefa dinihina dia ilaina amin’ny fanamboarana ody gasy izy ireo. Toy ny any amin’ny faritra maro any Afrika toa an’i Congo, dia ireo mpimasy no tena mila azy fatratra hanamboarana ody gasy satria toy ny masina ny ràn’izy ireny hoazy ireo. Bezaha izay iaraha-mahalala ihany koa fa tena malaza tokoa amin’ny asan-dahalo.