Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Cnaps Fenoarivo-Atsinanana – Nisokatra amin’ny fomba ofisialy ny masoivoho

Tsy mitsaha-mitombo ireo olona sahaninin’ny tendron’ny Cnaps ao Fenoarivo- Atsinanana. Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny  masoivoho raha toa ka niankin-doha tamin’ny Toamasina  izany teo aloha.   Raha toa ka ny fandraisana taratasy sy ny fizarana fanampiana fotsiny no nataon’ny tendrony teo aloha, vita ao an-toerana daholo ny asa rehetra ankehitriny. Mahatratra  663 ny mpiasa sahanina ary 199 ny mpampiasa voasoratra. Rasoazanatsimba Landy no voatendry ho lehiben’ny masoivoho, ary Razanakolona Hoby Fetra no talen’ny vola. Ity Masoivohon’ny Cnaps ao Fenoarivo Atsinanana ity no hiahy ny tendron’ny Cnaps any Sainte-Marie sy ny any Maroantsetra.

Tonga nametraka ity Masoivoho ity tamin’ny fomba ofisialy ny minisitry ny asam-panjakana, ny asa sy ny lalàna sosialy ary ny fanavaozana ny raharaham-panjakana. Ny talen’ny fitantanana eo anivon’ny Cnaps foibe Rakotomila no nisolotena ny tale jeneraly. Nambarany fa “tafiditra anatin’ny politikan’ny toniam-pitantanana ny  fanakaikezana ny mpanjifa. Eo ihany koa ny fanatsarana ny fomba fiasa ary amin’izao fanamarihan’ny Cnaps ny faha-60 taona nisian’ny fiahiana ara-tsosialy izao dia notsiahiviny ireo ezaka vita toy ny fampitomboana ireo tolotra hiakatra 100% ho an’ny fanampiana ny fianakaviana ary 20% ny fisotroan-dronono  sy ny vidin-takaitra.   Eo  ihany koa ny telovolan’ny Cnaps tsy hifarana raha tsy ny 31 desambra izao, hetsika hanafoanana ny tataon-tsazy 10% amin’ny fanefana ireo latsakemboka mbola tsy voaefa teo aloha. Ho fanampiana ny mpampiasa toy ireo kaominina izay manana trosa betsaka amin’ny latsakemboka”.

Safidy Andrianina

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre