Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Zazavavy 16 taona, namono tena – Niparitaka ny sariny miboridana

Mitera-doza ary ahitana zavatra mamoafady tokoa ao amin’io fitaovan-tserasera iray malaza amin’izao fotoana izao io na ny « Facebook » izany. Isan’andro dia ahitana tranga hafahafa ary mahatsikaiky hatrany ao ary maro amin’ireo mpanjifa mihitsy no tohina amin’izany. Tsy vao ela akory no nisy horonantsary mamoafadin’olo-malaza iray niparitaka ary niteraka resa-be tao amin’ny facebook. Ny fanaon’ireo mpampiasa ity fitaovan-tserasera ity moa dia ny manaparitaka avy hatrany ireo vaovao mahaliana any amin’ireo atao hoe vondrona na « Groupe » ireny hany ka ao anaty minitra vitsy monja dia efa mahafantatra azy daholo ireo mpikirakira aterneto rehetra. Ny alatsinainy lasa teo indray dia voalaza fa sarina zazavavy kely iray no naparitaky ny olona tao. Sary miboridana maromaro izany araka ny vaovao azo dia sary nifampizarany tamin’ny sakaizany tao amin’ny facebook ihany. Tsy hay anefa izay nahatonga azy ireo niparitaka fa dia feno ny sariny teny amin’ny fandraisana na « accueil » ary toy ny mahazatra dia naparitaky ny olona ireo sary ary niteraka resa-be. Tsy ela akory dia tonga teny an-tsofin’ilay zazavavy ny resaka ka teo vao nikoropaka izy nitady izay fomba hamafana ireo fizarana izay efa nihoatra ny arivo isa ankoatra ny fanehoan-kevitra izay efa aman-jatony ihany koa. Tao anatin’ny fotoana vitsy ihany koa dia efa hitan’ireo namana sy havana ireo sary ka niantso ny Ray aman-drenin’ilay zazavavy izy ireo. Ity farany izay mbola tany am-pianarana tamin’io fotoana io ka tsy mbola noresahina ny zava-misy. Natahotra mafy noho izany ilay zazavavy tompon’ireo sary ka nanapa-kevitra ny hamono tena. Araka ny vaovao azo dia niafina izy niditra ny efitranony ary avy hatrany dia nihinana fanafody maromaro. Soa ihany anefa fa tratran’ny reniny teo am-panaovana izany izy ka nentina avy hatrany tany amin’ny hopitaly. Avotra soa aman-tsara ihany ny ainy.Mampidi-doza ny  fampiasana ny fitaovan-tserasera rehefa tsy ampy fiheverana ka mila fandinihana sy fitandremana fatratra.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre