Vary avy any chine – Namboarina tamin’ny sachet
Tsy misy hosoka tsy vitan’ny sinoa marina. Efa mitobaka eto amintsika irony « contrefaçon » sinoa irony, na ny finday sy ny kojakoja elektronika, na ny akanjo sy ny sisa maro hafa. Ankehitriny kosa miely ny feo milaza fa misy indray izao ny vary vita avy amin’ny plastika ary efa mahatratra taonina maro no efa mitobaka eny an-tsena. Lafarinina afangaro amin’ny sachet mitsonika no fanamboarana azy ity ary sarotra ny mamantatra azy satria na ny lokony na ny fitsapana azy dia toa tena vary tokoa. Mitombo tsara ihany koa izy ity rehefa andrahona. Rehefa sasana izy no somary hita ihany fa hafahafa satria dia mitsingevana fa tsy milentika toa ny vary tsotra. Mampidi-doza ho an’ny fahasalamana tokoa ny fihinanana azy ity noho izy miraikitra amin’ny tsinay sy ny vavony. Ka manentana ny rehetra ary ho mailo sy hanjifa ireo vary nambolena teto Madagasikara.
Ny Tsiky R.