Ambohibe Didy – Nodoran’ny jiolahy ny tan0na, entana 100 tapitrisa very
Manjaka indray amin’izao fotoana izao ny asan-jiolahy any amin’iny distrikan’Ambatondrazaka iny. Mihorohoro ny mponina satria dia efa ho isan’andro mihitsy ny fanafihana ary tsy mionona amin’ny famakiana trano fotsiny ireo mpanao ratsy fa mamono olona sy manolana ihany koa. Ny faran’ny herinandro lasa teo dia dahalo 10 mirahalahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika toy ny basy sy antsy marani-doha no nanafika ny tanàna iray manontolo ao amin’ny fokontany Ambohibe, kaominina ambanivohitra Didy. Tokony ho tamin’ny 9 ora alina no niseho ity loza ity ary nanao be fiavy ireto jiolahy ka nanesy ireo tokantrano izay sendra azy. Araka ny vaovao voaray avy any an-toerana dia izay sendra azy ireo dia mahazo ny kapa famaky sy daroka avokoa. Mandrahona mihitsy moa ireo dahalo eo am-panatanterahana ny asa ratsiny. Voaroba avokoa noho izany ireo mpivarotra tao an-toerana ary mitentina 100 tapitrisa ariary ny entana sy vola lasan’ireo olon-dratsy. Tsy vitan’ny nandroba ny fananan’ny vahoaka fotsiny anefa ireto farany fa nodorany ihany koa ny tanàna. Maro noho izany ireo trano saika kilan’ny afo raha tsy nifarimbona namono izany ireo fokonolona. Rehefa nandre ny tranga ny polisin’Ambatondrazaka dia nandefa iraka nanao ny fanarahan-dia ka sarona tamin’izany ny efatra tamin’ireo malaso. Nampiakarina fampanoavana tao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany Ambatondrazaka izy efa-dahy ireo. Nanambara ny Kaomisera Divizionera Celestin fa mitohy ny fikarohana ny naman’ireo jiolahy ireo ka raha misy manam-baovao dia tokony tsy hisalasala hanantona ny kaomisaria ao Ambatondrazaka.
Ra Tax.