Vous êtes ici :

Samedi 23 Novembre 2024

ombre

Fanamelohana ho faty

Milaza ny handray andraikitra ny Fanjakana manoloana ny firohotan’ny fitsaram-bahoaka izay efa nahafatesana olona maro tato ho ato. Mampihoron-koditra tokoa ny zava-misy satria toa lasa fanjakan’ny baroa sisa ny zava-misy eto Madagasikara. Tsy afa-manoatra ny mpitandro filaminana amin’ny toerana sasany noho ny hetsi-bahoaka mitaky ny hamonoana ho faty ireo izay voatondro ho nanao heloka bevava. Misy efa any ampelatanan’ny mpitandro filaminana mbola sahin’ny fokonolona tafihana ihany. Ny hafa kosa azon’ny fokonolona ary navelan’ny mpitandro filaminana hofatin’ny fitsaram-bahoaka noho ny antony tsy fantatra mazava. Mampanahy ity tranga ity satria na dia tondro molotra fotsiny aza izany dia mety hahafaty raha tsy mitandrina. Ny malagasy rahateo olon’ny fo sy vahoaka mora taitaitra ka tsy hay tohaina rehefa mirongatra. Milaza ny tompon’andraiki-panjakana fa misy ambadika politika ireny vono olona ao anaty hetsi-bahoaka ireny. Ny mpanohitra kosa manambara fa fomba fisehon’ny alahelo sy fahadisoam-panantenana ireny. Iaraha-mahita mantsy fa toa tsy atahoran’ny olon-dratsy intsony ny mpitandro filaminana sy ny fitsarana. Sokajian’ny vahoaka ho tsy mifanandrify amin’ny heloka vitan’ny olon-dratsy ny sazy mahazo azy ireny. Eto an-drenivoitra izao raha misy olona voaendaka na vaky trano ka mandeha mametraka fitarainana any amin’ny mpitandro filaminana dia teny an’avona matetika no azo. “Hitanao ve ilay mpanendaka? Raha tadidinao ny endriny ka hitanao izy dia antsoy izahay hisambotra azy.” Io no valintenin’ny polisy amin’izay mametraka fitoriana ary mahalana no misy mpitandro filaminana tonga dia mandray basy sy fitaovana ka miteny amin’ilay voaendaka hoe andao isika hiverina eny amin’ilay toerana hitady ilay mpanendaka. Toy izany ihany koa ny vaky trano. “Jerijereo eny Isotry sy Anosibe eny ka raha hitanareo ny entanareo dia antsoy izahay” hoy ny mpitandro filaminana. Toa maniraka ny olona hanao ny asany izy ireo. Ambonin’izany anefa izay mpanendaka sy mpanao sinto-mahery voasambotra dia tsy mamerina ny zavatr’olona nangalariny ary migatra volana vitsy fotsiny dia afaka.

Toy izany ihany koa ny any amin’ny faritany. Maro ireo mitaraina fa fotoana fohy monja no hampidirana ireo mpamono olona any am-ponja dia hita miriaria sy mieboebo eny anivon’ny fiarahamonina izy ireny. Izany no mahatonga ny fokonolona hiroso amin’ny fitsaram-bahoaka avy hatrany mba ho famaizana ireo mpanao ratsy ary ho valifaty amin’ny rà latsaka.

Tany tan-dalàna anefa i Madagasikara ary tsy vahaolana velively ny valifaty sy ny vono olona. Misy mpitandro filaminana sy fitsarana eto natao hampihatra ny lalàna amin’izay nahavanon-doza. Andrasan’ny vahoaka kosa ny mba tena hanomezana faran’izay henjana ho an’ireo mpanao ratsy satria toa lasa fialokalofana ho an’ny mpamono olona ny fampiharana ny lalàna. Maro amin’ireo nahafaty olona na jiolahy voasambotra no mitalaho amin’ny vahoaka hoe atero any amin’ny polisy na zandary. Izany hoe tsy mampatahotra ireo olon-dratsy velively ny mpitandro filaminana sy ny fitsarana. Aleon’izy ireo migadra any am-ponja toy izay matin’ny vahoaka. Mipetraka eto ny adihevitra manao hoe maninona raha averina indray ny fanamelohana ho faty ho an’ireo voaporofo fa nanao fanahy iniana hamono olona. Tsy eken’ny mpiaro ny zon’olombelona amin’ny firenena mikambana io ary maro ny firenena efa mandrara izany. Tsikaritra kosa anefa fa ireo firenena tena mandroso be dia mbola mitana sy mampihatra ny fanamelohana ho faty mba hampihenana ny vono olona niniana natao any amin’izy ireo. Voalohany amin’izany i Etazonia izay sokajiana ho mpitari-dalana amin’ny demokrasia sy ny zon’olombelona. Eo ihany koa i Chine izay firenena mandroso indrindra maneran-tany amin’izao fotoana izao. Ary i Madagsikara mba ahoana? Eken’ny malagasy ve ny fanamelohana ho faty? Efa endriny iray ireny fitsaram-bahoaka ireny.

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre