Zaza nariana tany Sambava – Maro ireo mangataka hanangana azy
Roa herinandro lasa izay dia nisy vehivavy iray tonga nitsidika tokatrano iray tany Sambava. Tsy misy rohim-pihavanana eo amin’ny roa tonta fa fomba mbola mipetraka amin’ny faritra maro manerana ny nosy ny mampiantrano vahiny mandalo tanàna. Nitondra zaza menavava ity vehivavy iray ity ary nolazainy tamin’izany fa zanaky ny anadahiny avy any Ampanefena ilay zaza. Niangavy ireo raiamandreny tao amin’ilay tokantrano ilay vahiny ny mba handraisan’izy ireo ny zazakely kanefa nandà izany ireto farany. Rehefa nangataka trano fivoahana ity ramatoa ity dia nariany tao an-tranon-kisoa ilay zazakely ary nilefa nandositra kosa izy. Nahoraka eraka ny tanàna izany vaovao izany ka maro no velon-tsetra ary vetivety foana dia niparitaka tamin’ny tambajotra sosialy ihany. Teo ihany koa dia maro ny naniry ny handray sy hanangana ilay zaza, indrindra moa ireo aty an-drenivohitra. Niakatra fitsarana omaly ny raharaha tany Sambava fa ny alatsinainy lasa teo aloha dia nisy renim-pianakaviana iray izay mpanetsiketsika ireny fikambanam-behivavy ao an-toerana ireny nanolotra vola iray hetsy ariary hividianana koba sy ronono ho an’ilay zaza. Misy tokoa araka izany ny malagasy mbola mandala ny soatoavina mahamamy ny aina ary tokony hanantona ireny akanin-jaza fitaizana zaza kamboty ireny satria mbola maro ny ankizy izay mila izany fitiavan-dray sy reny izany sy mendrika ny hahazo fanabeazana araka ny tokony izy. Ho an’ity tranga iray manokana ity dia afaka manantona ny tribonaly ao Antalaha na ihany koa ny sampan-draharahan’ny ministeran’ny mponina ao Sambava izay maniry hanangana ilay zazavavy kely, na ihany koa miantso ny laharan-taribian’ny lehiben’io sampan-draharaha io (032 22 306 61 – Atoa Bosco).
R.Z