Maromaroa ny toy ireny
Nilatsaka ny didy ary voaheloka higadra ireo mpanondrana antsokosoko ny sokatra malagasy. Nidoboka am-ponja mandritra ny herintaona sy tapany ilay tena atidoha sy tompon’ny afera. Ilay mpiray petsapetsa aminy kosa herintaona. Miampy lamandy 4 tapitrisa ariary ireo sazy ireo. Nahafaly ny mpiaro ny tontolo iainana sy ny vahoaka malagasy amin’ny ankapobeny io didim-pitsarana io. Dingana iray maneho io didy io fa tena tany tan-dalàna i Madagasikara satria raha ny voafaritry ny lalàna dia mampigadra sy handoavana onitra be ny fanondranana antsokosoko ny bibidia sy zavamaniry tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara. Maro aza ny milaza fa tokony ho mafimafy kokoa noho io nivoaka io ny didy. Raha ny sazy voafaritry ny lalàna mantsy dia hatramin’ny 10 taona an-tranomaizina mihitsy no miandry ireo mpanao trafika. Manana ny fahalalahany ary mahafehy ny asany anefa ny fitsarana ka izy ihany no mahafantatra sy mahay mandanjalanja ny sazy mifanaraka amin’ny heloka vitan’ilay olona.
Santionany iray iny didy famonjana mpanondrana sokatra iny fa mbola betsaka ny asa miandry ny Fanjakana malagasy amin’ny ady atao ho fiarovana ny harem-pirenena. Tsy ny sokatra ihany mantsy no misy mamoaka eto ary rehefa tena jerena aza dia karazan’ny bitika ihany ity fivarotana sokatra ity. Raha misy tambajotra mpanao azy dia heverina fa mbola tsy lasa lavitra loatra. Misy fanondranana antsokosoko tena avo lenta amin’ny sehatra hafa toy ny volamena, ny hazo sarobidy, eny hatramin’ny varotra olona an-kolaka toy ny fandefasana mpiasa hiasa any amin’ny firenena izay mety hahitana loza. Firifiry ny vehivavy malagasy nalefa niasa an-trano tany ivelany ary ny fatin’izy ireo sisa tafaverina teto. Tsy afa-manoatra ny Fanjakana manoloana ireny tranga mahatsiravina ireny ka ny azo atao dia ny famoahana didy mandrara ny fandefasana mpiasa any ivelany. Mbola misy ihany anefa ireo sahy mandefa an-tsokosoko izay sokajian’ny lalàna ho efa karazan’ny trafikana olona mihitsy. Andrasan’ny vahoaka ihany koa ny fanadihadiana sy fanenjehana ary fanomezana sazy faran’izay henjana ireo mpanao izany. Eo ihany koa ny fanondranana antsokosoko ny volamena. Betsaka ihany izay efa sarona teny Ivato izay ary mbola maro ihany koa ireo mpividy volamena tsy ara-dalàna eny antsisin-dalana eny nefa toa tsy mety tonga any amin’ny foibeny mihitsy ny mpanao fanadihadiana. Ambonin’ireo ary tsy ahitam-bahaolana ny fanondranana andramena. Mba nangingina kosa aloha izany tato ho ato nefa mbola maro ireo sokajiana ho vary mangatsiaka ary miandry ny didim-pitsarana. Raha toa ka misy didy faran’izay henjana manafay ireo tena mpanao ity trafikan’andramena ity dia inoana fa hihena izany ary mety tsy hisy ihany koa. Ny fahaleovantenan’ny fitsarana toy ilay didy managadra ny mpanondrana sokatra iny dia efa endrika iray lehibe mamerina ny fifampitokisana eo amin’ny fitsarana sy ny vahoaka. Raha misy mpivarotra sokatra voasambotra dia inoana fa kely ny risika mety hisian’ny fitsaram-bahoaka satria efa mahazo matoky ny fokonolona fa hidoboka am-ponja no sady mandoa lamandy an-tapitrisany ireo mpangalatra ny harem-pirenena manomboka izao. Ankasitrahan’ny rehetra mihitsy ny fitsarana rehefa tena mampiseho ny fampiharana ny lalàna manan-kery manoloana izay mpanao ratsy. Tato ho ato mantsy dia maro ireo nihevitra fa toa ny resaka politika ihany no mampigadra eto Madagasikara. Ny vahoaka madinika manao fitakiana ary sokajian’ny mpitondra fanjakana ho misy ambadika politika foana no voasambotra sy ampidirina am-ponja. Ireo jiolahy tratra ambodiomby na ihany koa ireo mpamono olona izay voasambotra anefa toa tsy mahafa-po ny vahoaka ny sazy homena azy ireny. Io antony io no heverina ho tena mahatonga ny fitsaram-bahoaka. Noporofoin’ny fitsarana tamin’ilay resaka sokatra iny anefa fa tena manana ny fahalalahany izy ary afaka manome sazy izay rehetra mandika ny lalàna. Maromaroa ny toy izany e !
Ravalo tsy Manana