Vous êtes ici :

Lundi 25 Novembre 2024

ombre

Ambohidratrimo – Tratra ilay lehilahy mpivarotra rongony tao an-tranony

Miha maro ireo mpivarotra rongony amin’izao fotoana izao ary efa ahitana azy avokoa eny rehetra eny. Raha any anelankelan-trano miafina matetika no tena ahitana azy ireny dia efa tsy miafina intsony izy amin’izao ary efa misehoseho eny amin’ny fiarahamonina mihitsy aza ny sasany. Mpamatsy rongony ao Antanjombava, kaominina Talatamaty ao amin’ny distrika Ambohidratrimo no tra-tehaka ambodiomby ny talata lasa teo. Taorian’ny fikaroham-baovao samihafa efa nataon’ny mpitandro filaminana dia fantatra fa mivarotra rongony ao an-tranony ny lehilahy iray izay voalaza fa mpamatsy zava-mahadomelina ao an-tanàna. Tsy niandry ela ny manam-pahefana tamin’izany fa rehefa nahazo alalana avy amin’ny fitsarana dia nirotsaka an-tsehatra nisava ny tranon-drangahy izay tsy nanaiky ny hisavana ny trano fonenany. Tratra soa aman-tsara tao an-tranony moa ilay tompon-trano noho ny fisavana natao vao maraina be tamin’ny 5 ora. Nahitana rongony milanja 500g tao anaty fonosana miisa 97 sy 1 kilao niafina tao an-tranony. Noho ny fahatratrarana ireo zava-mahadomelina ireo tao aminy dia notazomina ilay tompon-trano ka ny borigady Talatamaty no miandraikitra ny fanadihadiana.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre